Politique

Jean Louis Rakotoamboa “Foano fa tsy ilaina ny karatry ny mpifidy”


  • Alarobia 19 Oktobra 2022

Ny antoko politika Teza, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa, dia mametraka fa tsy tokony handeha mihitsy io fifidianana io raha tsy mipetraka tsara ny lamina ary mazava tsara ny fitsipi-dalao rehetra.

Tamin’ny fifidianana teo aloha teo, hoy izy, niezaka ny antoko politika rehetra, ny fiarahamonim-pirenena, ny fianakaviambe iraisampirenena hanara-maso ny fifidianana fa ny vokany dia nisy ny verin-droa na “doublon” miisa 1 hetsy. An-tapitrisany ny kara-panondro hosoka nampiasaina teto amin’ny firenena. Tsy vintan’io rafitra io mihitsy izany ny manara-maso. Raha tiana hangaraharaha ny fifidianana eto Madagasikara dia ny tokony atao voalohany aloha, eo amin’ny fanaovana lisitry ny mpifidy dia tokony ny fokontany no manao azy. Atao peta-drindrina any amin’ny fokontany izany avy eo. Manao fivoriambem-pokonolona herinandro aorian’izay hamakiana am-pahibemaso ireo mpifidy isan-trano. Hita amin’izay hoe I ranona tsy ao intsony, ranona efa maty, ranona izao. Tokony hatsangana anivon’ny fokonolona koa ny komitin’ny fahamailoana anaty fifidianana. Olona miisa 5 no atao ao. Toy izany koa ny fiangonana. Ireo miaraka amin’ny fokontany no manara-maso fifidianana manomboka any amin’ny lisitry ny mpifidy mandra-pahavitan’ny fifidianana. Raha misy manao hosoka na vinany ao anatin’ny fokontany dia alefa any amin’ny tribonaly misahana ny fifidianana ny tatitra. Atao ny fanadihadiana. Migadra 2 taona izay be vinany. Tsy ilaina ny karatry ny mpifidy fa foano. Atao fitaovana fangalaram-bato fotsiny io. Tokony hividianana fankan-tsary nomerika ho an’ny kaominina ny vola natokana ho an’io. Raha manana an’izay ny kaominina tsirairay dia mandeha eny amin’ny fokontany mandritry ny herinandro maka sary izay feno 18 taona sy mbola tsy manana kara-panondro. Hamarinin’ny fokonolona sy ny dokotera amin’ny fomba biolojika ny mombamomba azy avy eo. 3 na 4 volana no miara-manao an’izay ny kaominina rehetra eto Madagasikara dia manana kara-panondro daholo ny olona rehetra. Foana na mihena be ny fanodikondinam-bato any ifotony amin’izay fotoana izay, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT