Jean Louis Rakotoamboa

“Aza adino fa mpanohana Andry Rajoelina io prefe io”


  • Talata 14 Novambra 2023

Aza adino fa mpanohana an’ingahy Andry Rajoelina io prefe io, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.

Mampahatsiahy fotsiny aho, hoy izy, tamin’ireny tolon’ny depiote miisa 73 ireny. Navelany ianao nidina teny amin’ny 13 may. Nidina ny TIM, tsy navelany. Izao ny rehetra no midina, ankoatran’ireo mpanaradia an’i Andry Rajoelina, tsy navelany. Porofo mitohoka amin’ny tendany izany fa io prefe io dia olon’ingahy Andry Rajoelina na olona miaraka aminy amin’ny fikambanana miafinkafina any dia arovany. Ny hitsivolana na “ordonnance” 60-082 no tena olana eto amintsika. Milaza io hoe mila maka alalana raha hidina an-dalambe. Anatin’ny lalàna tokony soloina ny lalàna adaladala toy izany. Ny asan’ny antoko politika dia midina ifotony mijery ny filàn’ny vahoaka. Miresaka amin’ny vahoaka dia avy mamadika ireny ho lasa praograma azo tanterahana. Afaka mamory vahoaka am-pilaminana. Raha manao an’izay ny antoko dia tsy tokony ho sembatsembanina izany mihitsy. Mila ovana io lalàna io fa lasa vorona azon’adala ilay fahefana. Raha tiany tsy omena alalana ianao satria hitrongy azy na hamaky bantsilana ny tsy mety ataony dia io ataon’ingahy Prefe io. Raha metimety aminy indray ianao satria miaraka amin’ny firehana miaraka aminy toy ny TGV dia omeny alalana. Ireny ataon’ny prefe ireny no atao hoe fanaparam-pahefana. Ny tokony ataony dia manome baiko ny mpitandro filaminana hoe arovy ireo toerana saropady! Tsy ao anatin’ny sainy akory izany fitiavan-tanindrazana izany. Tsy ao anatin’ny sainy akory hoe ireto mpanao politika ireto anie asany izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT