JEAN JACQUES RATSIETSION

« Izahay no ho lohalaharana hitarika ny vahoaka »


  • Zoma 03 Novambra 2023

Mazava tsara ny nambaran’i Jean Jacques Ratsietison tamin’ny mpanao gazety

nitafa taminy teny Ambohitrimanjaka androany momba ny hetsika hatao eny amin’ny kianjan’ny 13 may ny sabotsy 4 novambra ho avy izao. Izahay Kandida nohitarika ny vahoaka , aza mankeny raha tsy hitanareo eny izahay, hoy izy. Nambaran’i Jean Jacques Ratsietison fa tsy mbola nisy nangataka alalana hidina an-dalambe izany teto Madagasikara nanomboka ny taona 1972 mandrak’ankehitriny . Misy fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara , hoy izy manome alalana ny olom-pirenena hidina am-pilainana an-dalabe sy hanao fitakiana am-pilaminana.Tsy misy lalàna mahasakana izany eto. Na inona na inona lalàna ambara dia io fifanarahana iraisam-pirenena io izay nosoniavin’i Madagasikara no ambony. Manarak’izay diso, hoy izy ny filazana fa faritra mena Analakely, eo aza misy olona mivezivezy isan’andro ka nahoana no lazaina fa faritra mena. Eny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra izao efa nambara sy fantatra fa faritra mena ka sady misy miaramila miambina no tsy azo ivezivezen’ny rehetra araka izay itiavana azy izany. Izahay no lohalaharana hitarika ny olona , tsy mahafaty izany ny lakrimozenina, fa mampitomany fotsiny, ka andao mba hiaraka hitomany amin’ny 13 may, hoy izy.Aza matahotra izany fa tongava ianareo, fa tsy misy haninona antsika eny .Izahay tsy hanao tahaka an’i Andry Rajoelina hoe miantso vahoaka fa avy eo lasa mody any an-tranony, izahay mihitsy no ho tonga eny hitarika ny vahoaka koa dia amin’ny sabotsy no fotoana eny amin’ny kianjanny 13 may izany hoy Jean Jacques Ratsietison
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT