Jean Jacques Ratsietison

“Tsy toy ny tamin’ny 2018 fa efa mahafantatra izao ny HCC!”


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Tonga mba hanontany fotsiny ny fomba fiasan’ny fanjakana izahay aloha, hoy ny filohan’ny antoko politika Fahefa-mividy izao no ilain’ny malagasy na FMI Malagasy,

Jean Jacques Ratsietison, raha tazana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC omaly. Ny mahagaga, hoy izy, dia mbola tsy fantatry ny foiben-ketra na “impôt” any amin’ilay fanamarinan-ketra na “attestation fiscale” hoe inona ilay taratasy tokony omena ny kandida. Raha andoa vola ianao dia hoe mitondrà aloha dika mitovin’ny kara-panondro voamarina dia hoento ilay vola fa mety tsy ampy izay. Efa manomboka nefa ny fisoratana anarana amin’ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena. Tsy vonona ny fanjakana no dikan’izany na tsy mahay miasa. Tsy nasaina izahay tamin’ilay sata mifehy fitondran-tena na “Charte de bonne conduite” an’ny FES. Tsy hanao sonia zavatra tsy fantatray izahay. Tsy mbola misy dosie mipetraka izao ato amin’ny HCC (TTF: hatramin’ny omaly tamin’ny 11 ora sasany). Tsy misy idiran’ny HCC ilay izy fa ny governemanta no mametra hoe izao no zavatra omen’ny sampan-draharahan’ny hetra na “service fiscal” ny kandida amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika. Mandray dosie fotsiny tsinona no anjaran’ny HCC dia miteny hoe feno izany na tsia. Tokony hiteny ny HCC amin’ity taona ity mikasika an’io andininy faha 42 io. Ny valiny nomeny farany teo tsinona mikasika ny fitarainana tamin’ny 2018. Marina ny azy raha iny satria tsy nahafantatra izy tamin’izany. Nisy nanao fadisoana ny fanjakana tamin’izany satria ny tribonaly tomponandraikitra na “tribunal d’instance” rehetra tokony manontany ny kandida hoe ianareo ve manana zom-pirenena hafa? Ahoana no fomba nahazoanareo azy? Raha niniana natao na “acte volontaire” no nahazoana zom-pirenena na “nationalité” hafa tonga dia mihatra ny andininy faha 42. Tsy mahazo milatsaka ilay olona. Tokony manao an’izay koa ireo tribonaly ireo amin’ity! Tsy toy ny tamin’ny 2018 fa efa mahafantatra izao ny HCC! Tsy afaka miala intsony ny HCC fa tsy maintsy miteny! Tsy tokony ho afaka manao kandida intsony i Andry Rajoelina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT