Politique

Jean Jacques Ratsietison “Tsy nanana taratasin’ny dadabeany i Andry Rajoelina”


  • Alakamisy 20 Jolay 2023

Mampalahelo raha filoham-pirenena no tsy manan-kambara afa-tsy ny hoe efa 10.000 Ariary ny Euro raha tsy nahay nitantana aho fa zaranareo fa tafajanona 5000 Ariary izany,

hoy ny mpahaitoekarena sady filohan’ny antoko politika FMI Malagasy, Jean Jacques Ratsietison. Dia miomana izany ry vahoaka, hoy izy, fa rehefa mimenomenona ianao hoe 4000 Ariary ny kilaon’ny vary dia hiteny ny fitondram-panjakana, ny filoha Andry Rajoelina, hoe zaranareo aza fa raha tsy nahay nitantana aho efa 8000 Ariary io. Rehefa tafakatra 6000 Ariary ny Euro dia hiteny izy hoe zaranareo aza fa raha izaho no tsy nahay nitantana dia efa 12000 Ariary io. Efa nomeko azy ny vahaolana izay manaporofo fa tsy toerana no tadiaviko fa fanatanterahana vahaolana. Raha antsoin’i Andry Rajoelina i Jean Jacques Ratsietison ka tsy mahomby na tsy midina amin’ny ampahahefany ny vidin’entana afarana avy any ivelany, azonao gadraina izy. Efa niteny koa aho hoe tsy mila mametraka ahy ho minisitra akory izy. Raha antsoiny aho, foanana ny MID na ny tahabola miovaova. Akarina 200% ny sandam-bola. Ilay 5000 Ariary lasa 1250 Ariary. Ny zavatra novidianao 5000 Ariary teo aloha, eo no ho eo dia lasa 1250 Ariary. Na izy samy aza manao izany fa tsy mila ahy akory dia vita izany. Sahiko ny miteny hoe gadrao aho raha tsy mety io. Iza no mbola sahy niteny izany? Tadidio amin’izao fotoana izao fa vao mivilana ny molotrao dia efa migadra ianao. Ry Doris izao vadin’i Malama saika hilahatra fotsiny dia efa MD. Maika ve raha izaho miteny izany? Rariny sy hintsiny aho raha gadrainy satria mampanantena ilay vahoaka efa anaty fahantrana lalina. Raha tena ny dadabean’i Andry Rajoelina marina no nolovainy dia tsy tokony “naturalisation” no nataony fa “réintégration”. Raha manana taratasin’ny dadabeany izy asaivo avoakany fa tsy nanana izy matoa voatery nanao “naturalisation”. Mianjera ho azy ny zom-pirenena maha malagasy rehefa nanao “naturalisation” ianao. Ireny andininy faha 45 sy 90 notonotononony ireny ho an’ny olona manana zom-pirenena miisa 2. Fomba tokana no hahazoanao zom-pirenena 2 na “double nationalité”. Nolovaina ilay zom-pirenena vahiny fa ianao efa manana zom-pirenena malagasy. Février 2024, raha lany ny kandidan’ny FMI Malagasy dia febroary 2024 dia efa midina amin’ny ampahefany daholo ny vidin-javatra ilaina an-davan’andro rehetra. Miala ho azy ilay kandida rehefa tsy tanteraka izay satria tsy maintsy mametraka fialana mialoha raha tsy tanteraka ny fampanantenany ny kandidanay, hoy hatrany ity mpahaitoekarena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT