Politique

Jean Jacques Ratsietison « Tahina no tena mpanohitra amin’ireo 7 ireo»


  • Alarobia 20 Novambra 2024

Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !

Ny tsy maha eto an’i Roland Ratsiraka dia noho izy kandida, hoy i Jean Jacques Ratsietison Filohan’ny Antoko FMI Malagasy omaly. Antoko politika 5 no mandrafitra ny Kolekitifa, ary ao no tena misy ny Firaisankina, fa misy ny sarintsariny fotsiny sy miady an-trano, hoy io mpanao politika io. Tsy nitsitsy ny tenany nilaza fa amin’ireo kandida 7 ireo, iray ihany no mpanohitra dia Tahina Razafinjoelina. Raha tsy izany ve lany 100% ny filohan’ny antenimierampirenena fa raha tena mpanohitra nahoana no tsy nanolotra kandida ? hoy ity farany. Notsikafoniny sy notsiahiviny ny hoe : Andry Raobelina nesorina tao amin’ny Plaza tsy ara-drariny, nongotana manta tsy nananana hantra. Misy anefa orinasan-tserasera iray nomena didim-pitsarana fa hoe tokony hiala faran’izay haingana ka 72ora no nomena tamin’izany, fa mandrak’ity ny androany tsy misy tohiny. Fa ahoana ? mbola ao sa tsy ao ? Manao fifanarahana amin’ny fitondrana ireo matoa ao. Tsy manaikyny fahefana lova tsy mifindra isika, tsy ana fianakaviana iray Antananarivo, hoy hatrany i Jean Jacques Ratsietison.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT