Politique

Jean Jacques Ratsietison “Soloy, hoy aho, io minisitry ny angovo io”


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Ny mahagaga ahy amin’ilay resaka Tsimiroro, hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison, dia toy ny vonoina ilay izy. Nanao fifanarahana, hoy izy, ny fanjakana.

Nanaiky hamokatra i Tsimiroro. Nanomboka namokatra I Tsimiroro, tsy nisy naka ilay vokatra, nitahiry izy. Dia mbola hihevitra ve isika fa mbola hampiakatra ilay vokatra indray i Tsimiroro? Toeram-pitahirizana aza tsy hitany intsony ny hitantanana azy. Tsara na dia tara aza ny fanapahan-kevitra hoe manomboka mivoaka ilay izy. Tokony efa ela koa no tsy nandaniana devizy ny fanafarana any ivelany satria efa nisy navoakan’i Tsimiroro. Efa ambanin’ny 90 Dolara izao ny vidin’ny barilin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Tokony averina amin’ny vidiny teo aloha, fara-faharatsiny, ny vidin-dasantsy ato amin’ny tsena anatiny. Maninona no niakatra kely 120 dolara teo dia nakarina ambony be? Izao efa 6 volana izay no nidina nefa eto tsy misy fidinana. 2011, 2012, 2013 hatramin’ny faran’ny jona 2014 no 120 Dolara ny barilina. 3350 Ariary tamin’izany ny litatry ny lasantsy. Maninona androany nidina 1/3 ny vidin’ny barilina nefa ambonin’ny 3350 Ariary ny litatra ato amin’ny tsena anatiny? Maninona no tsy averina 4100 Ariary aloha fara faharatsiny ny lasantsy? Soloy, hoy aho, ny minisitry ny angovo rehefa tsy mahavita azy. Tsy maninona na tara aza ny fampiasana ny menaka mavesatr’i Tsimiroro fa ny olana voalohany dia ny fiasan’ny fampitaovana ny JIRAMA matoa mbola mila fanamboarana indray. 5 miliara Dolara amin’izao isika miteny izao no trosantsika any ivelany dia tokony mbola hanana olana amina resaka fampitaovana na “équipement” ve ny JIRAMA? Tsy tokony efa navaozina daholo ve ny “équipement” dia milamina ny rehetra? Satria misy ilay MID dia tsy ianao no manapaka ny hanaovana izay vola azo fa tsy maintsy hividiananao Ariary ilay izy. I Rwanda izao efa nisafidy ny hifehy ny Dolara. Rehefa tsy hanome ianareo, hoy izy, dia tazony any fa izahay tsy mila. Raha izaho no mpitondra dia izaho mihitsy koa no handa fampindramana rehefa tsy izaho no mitantana ilay trosa. Na Euro io na Dolara dia mitovy. Krizy anatiny any Frantsa io resaka solika any amin’izao io koa fa tsy hoe tsy mivarotra intsony akory ny Total. Tsy misy idirantsika izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT