Jean Jacques Ratsietison

«Noporofoin’ny PAN fa tsy misy loko ny fahamarinana»


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Ny antoko politika rehetra samy manana ny sata sy fitsipika anaty mifehy azy dia mampihatra azy,

hoy ny filohan’ny antoko politika FMI Malagasy na Fahefa-mividy izao no ilain’ny malagasy, Jean Jacques Ratsietison. Ao anaty antoko izany, hoy izy, mahafantatra hoe inona no antony hanesorana olona Tsy misy idiran’ny fanjakana io fa samy manana ny azy ny antoko politika. Amin’ny maha filohan’ny antenimieram-pirenena, ny fanesorana azy eo amin’ny toerany, ohatra hoe fanesorana azy amin’ny maha filohan’ny antenimieram-pirenena, tsy misy idiran’ny antoko iny. Ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena no ampiharina. Tsy misy idiran’ny IRD ny fanalana ny filohan’ny antenimieram-pirenena amin’ny maha depiote azy. Ny olona rehetra rehefa tafiditra anaty antenimieram-pirenena dia afaka miala amin’ny antoko nahalany azy aza raha azony atao. Ny fahitan’ny FMI malagasy ny fikasana hanala ny filohan’ny antenimieram-pirenena na PAN, izany hoe «déchéance» dia midika fa tsy misy mahazo maneho hevitra intsony eto rehefa tsy mitovy fijery amin’ny fitondrana. Manohana ny PAN izahay. Ny tenako manokana manohana ny PAN satria mandeha amin’ny fahamarinana izy. Noporofoin’ny PAN fa tsy misy loko ny fahamarinana. Tsy menamena io na maitsomaitso na volomboasary fa fotsifotsy ary izay no hiderako sy hanohanako izany vehivavy izany hatramin’ny farany, hoy hatrany i Jean Jacques Ratsietison.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT