Rehefa fakafakaina io raharaha Boeing 777 na «Triple 7» io, hoy ny mpahay
toekarena sady filohan’ny antoko politika FMI malagasy, Jean Jacques Ratsietison, dia tsy azo inoina mihitsy hoe tsy fantatry ny fitondràm-panjakàna io raharaha io. Lazain’ny ACM, hoy izy, fa orinasa mampiditra fiaramanidina miisa 5 eto amin’ny firenena no nomeny fanomezan-dalana vonjimaika. Tokony efa resabe teto an-tanàna sy an-gazety hatramin’ny taona 2024 izany io. Air Madagascar tamin’ny mbola natanjaka be ireny, 1 ihany no Boeing nananany fa tsy 5. Amin’ny fomba ahoana moa no ahafahan’ny olona aty ambany toy ny minisitry ny fitaterana sy ny ACM hanao an’io an-tsokosoko tsy mampilàza ny any ambony? Matoa io nokobonkobonina dia ny tao ambony mihitsy no efa nahalala ary mety nandrara hoe tsy azo avoaka. Efa fantany tsinona fa tsy hampiasa an’io Boeing io akory ilay orinasa hoe Udan potentiel. Tsy hampiasa an’io teto akory ny tetikasany. Raha hampiasa an’io izy dia tokony nanao ny asany ny ACM nijery hoe ahoana moa 400 Euro no tetibola na kapitalinao dia aiza ny vola ahazoanao mividy Boeing miisa 5? Raha manao orinasa kely aho izany ka atao 800 Euro no kapitaliny dia mankany amin’ny ACM aho hoe anaovy famantarana na «matricule» ireto Boeing ireto dia hanao ve ny «Aviation civile de Madagascar» na io sampan-draharaha miandraikitra ny fifamoivoizana ana habakabaka eto Madagasikara io? Tokony hampandre ny BIANCO aza izy hoe jereo ireto olona ireto fa 400 Euro no vola entiny miasa nefa izy milaza hampiasa Boeing miisa 5! Tsy tokony ho tonga saina amin’izany ve ny ACM? Ny ACM no tena tafiditra lalina voalohany ao. «Fusible» na sorona ny minisitry ny fitaterana. Tokony hampiasaina amin’izay ny «paratonnerre» na ny ambonin’ny minisitry ny fitaterana. Rehefa tsy ampy izay dia ampiasaina koa ny «parafoudre», izany hoe ny ambonin’izay dia ny praiminisitra. Mora ny miteny hoe miantso ny FBI na CIA satria na tsy antsoina aza dia fantatra fa tsy maintsy ho avy eo ny mpanadihady amerikanina. Lojika raha mora aminao ny miteny hoe miantso azy. Na niantso ny praiminisitra na tsia, tsy maintsy tonga ny amerikànina! Ny antony dia ankoatran’ny fandikàna ny fepetra amerikànina dia mbola misy zavatra hafa satria fiaramanidina miisa 5 izao no mbola am-pelantanan’ilay orinasa antsoina hoe Maan Air. Ny «Gardien de la révolution» na ireo mpikomy no mitantana io orinasa io. Io Maan Air no mpamatsy fitaovam-piadiana any Liban, Yemen, Syrie. Izay malagasy tratra eo izany azon’ny amerikànina ho ampangaina ho mpiray tsikombakomba amina mpamatsy fitaovam-piadiana ho an’ny mpampihorohoro any amin’ireo firenena voalaza teo ireo. Ho lasa lavitra io raharaha io ary raha tratran’ny amerikànina amin’io ianao dia tsy migadra ao Etazonia fa Guantanamo. Any no famonjàna mpampihorohoro ary tena mahatsiravina ny fepetra any. Tsy tafavoaka velona any intsony ianao raha lasa any ka tokony ho tonga saina daholo ireo manaiky atao «fusible» ireo. Tsy maintsy misy taratasy fifanarahana amin’i Iran io ka izay tompon’antoka tsy maintsy nanao sonia ho porofo fa tsy miaiky fotsiny ho atao «fusible». Izany hoe mila manome porofo ara-taratasy sy feo fa izy marina ary izy irery no meloka. Mila mampiseho ilay taratasy fifanarahana voasonia, hoy hatrany ity mpahay toekarena ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.