Politique

Jean-Jacques Ratsietison Hanazava ny toe-draharaham-pirenena amin’ny malagasy ao Côte d'Ivoire


  • Alarobia 05 Jona 2024

Taorian'i Paris dia hitodi-doha aty Côte d'Ivoire indray isika koa manasa anao eto Abidjan izaho,

Jean-Jacques Ratsietison, filoha mpanorina ny FMI Malagasy ary mpikambana ao amin'ny Kôlekitifa an'ny malagasy hanatrika ny «Conférence débat» na adihevitra arahina fiaraha-miala hetaheta na «cocktail», hoy ny filohan’ny antoko politika FMI malagasy na Fahefa-mividy izao no ilain’ny malagasy, Jean Jacques Ratsietison, tany Abidjan, Côte d'Ivoire, omaly. Fotoana azonao hametrahana ny fanontaniana rehetra mahaliana anao momba ny firenena sy ny toekarena io, hoy izy. Ny fotoanantsika dia ao amin'ny CELAF Riviera 3 ny sabotsy 8 jona 2024, manomboka amin'ny 2 ora sy sasany hariva. Tongava maro, tsy voafetra ny toerana, hoy hatrany ny fanentanan’ity mpanao politika sady mpahaitoekarena ity nanasa ireo malagasy monina ao Côte d'Ivoire. Hanazava ny fahitany ny fipetraky ny toe-draharaham-pirenena amin’ireo malagasy monina any araka izany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT