Politique

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"


  • Talata 23 Jolay 2019

"Maniry ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona indrindra eo amin' ny kalitaon'ny asa",

 

 

 

 

 hoy i Jean-Jacques Rabenirina, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena. Ilaina mantsy ny fandinihana sy fandaniana ireo lalàna satria izay no antom-piasian' ny Antenimierandoholona. Noho izany, ilaina ny fanatsaràna ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna ary tafiditra amin'izany ny fanaraha-maso ny asan' ny mpanatanteraka, hoy ity depiote ity. Nilaza koa izy fa io fampidirana rafitra fanampiny io no heverina mikolokolo ny demokrasia eto amintsika. Nampatsiahy ny andraikitry ny loholona eo amin'ny lalàna ary indrindra eo amin'ny fifandanjan-kery manoloana ny Antenimieram-pirenena, hoy hatrany ny fanambarana. Tsy afaka nanatrika ny fanokafana ofisialy ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny Antenimierandoholona ny filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, ka ny depiote Jean Jacques Rabenirina, no nisolotena azy tamin'izany.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT