Nandeha ny feo omaly fa nisy namono teo Ampefiloha ny solombavambahoaka Jaona Elite.
Rehefa nohamarinina teo anivon’ny pôlisy dia tsy nitombina velively izany fa siosion-dresaka fotsiny. Raha ny marina aza dia tsy eto an-drenivohitra io solombavambahoaka io fa any atsimo miaraka amin’ny namany izay mpila rondrony amin’ny filoham-pirenena izay nidina any an-toerana koa nitokana zava-bita.
TAKSIBROSY VOATAFIKA
Teo amin’ny tetezan’Ankazomalandy no nosakanan’ny telopolo lahy ny taksibrosy Sprinter izay hiakatra aty Antananarivo. Norahonana tamin’ny fitaovam-piadiana ny mpandeha rehetra ary nasaina nanome vola sy ny firavaka rehetra ary ny finday. Nandrepirepy ny olona satria tsy nisy intsony azo nentina taty an-drenivohitra, maina tanteraka. Miteraka adin-tsaina hatrany ny fandehanana taksibrosy ankehitriny.
KORONTANA POLITIKA
Hiteraka korontana avy hatrany iny fandroahana an’i Christine Razanamahasoa tao amin’ny tranom-panjakana izay nonenany iny. Valin-kafatra avy amin’ny fitondràna mazava ho azy ny zava-niseho ary endrika fandranitanana ny ady eo amin’ny mpanao politika. Omaly dia niezaka namono afo tamin’ny tambajotra sosialy ny mpomba an-dRajao ary nanaparitaka atotan-taratasy izay milaza fa efa ela no nesorina tamin’io trano io ity minisitra tamin’ny tetezamita ity saingy tsy niala.
CENI
Mitaky ny CENI ny hivoahan’ny lalàna mifehy ny fifidianana faran’izay haingana mba hahafahana mantanteraka ny fifidianana amin’ity taona ity. Amin’io vaomiera mahaleo tena io dia antoka iray hisian’ny fitoniana politika ny firosoana amin’ny fifidianana amin’ity taona ity.
FANDRODANANA TRANO
Raikitra indray ny fandrodanana trano eny Soavina noho ny filazàna fa hisy fefiloha amboarina. Izany dia vaky nandritry ny fandalovan’ireo rivo-doza izay nisesisesy teto amintsika. Trano 80 tafo no efa voajirika fa tsy maintsy harodana tanteraka. Tsy nanaiky izany anefa ny tompony ary nanao hetsika fanoherana omaly. Mandeha rahateo ny feo fa lasan’ny karàna indray...
ASA FANAOVAN-GAZETY
Rakitra sahady ny fimenomenonana satria nisy amin'ireo mpanao gazety matihanina no tsy nahazo ny karatra maha-matihanina avy amin'ny minisiteran'ny serasera. Kitoatoa rano iray.
ZANDARIMARIAM-PIRENENA
Nomarihana omaly tamin’ny alalan’ny fanadiovana faobe sy fanomezan-dra maimaimpoana ny andron’ny zandary
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.