Politique

Jao Jean Saika nosalorana «Grand croix de 2č classe» tany Antsohihy


  • Alakamisy 29 Septambra 2011

Tsy raikitra tamin’ny ora farany ny fanolorana mari-boninahitra an’i Jao Jean omaly tany Antsohihy. Nikarakara fety be mihitsy izy handraisany ity mari-boninahitra ambony ity kanefa izao tsy raikitra izao.

 Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia tonga nanotrona ity fety be ity ny minisitry ny Fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo. Izy no saika hametraka ilay mari-boninahitra. Raha tsiahivina dia efa misy ny didy fampisamborana an’i Jao Jean navoakan’ny Fitsarana tamin’ny volana mey 2011. Noho ny resaka fanodinkodinana sy fanolanana zaza tsy ampy taona no anton’izany. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola notanterahina ilay didy. Nanamafy ampahibemaso ny fisian’izany rahateo koa ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara ny talata teo.

Nahoana no tsy tanterahina ilay didy ? Tsy mahagaga raha manomboka miaka-tsehatra ny Sendikan’ny mpitsara sy ny filankevitra ambony maneho hevitra satria hita izao fa tena atao fitaovana politika ny Fitsarana. Etsy an-daniny dia nilaza i Jao Jean omaly fa «efa nilamina ilay resaka mikasika ilay fanolanana. Efa nisy mantsy, hoy izy ny fisintonana ilay fitoriana nataon’ilay rain’ilay zaza voalaza fa voaolana. Efa nisy ihany koa ny resaka nifanaovan’io raim-pianakaviana io tamin’ny minisitry ny Fitsarana. Mikasika ilay fety indray dia nilaza izy fa fampihavanana ny zanaky ny faritra Sofia no atao. Raha mitombina ny fanenjehana ahy, hoy izy dia tsy tokony ho vory maro tahaka izao ny vahoakan’Antsohihy».

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT