Tsy dia hita taratra loatra ny tena asa mivaingana ataon’izao fitondrana izao.
Nilaza Atoa Rajoelina Andry, tamin’ny fampielezan-kevitra nataony fa haingam-piasa ny lamasinin’ny Tgv rehefa tonga eo amin’ny fitantanana izy. Nambaran’atoa James Ratsima mpanao politika, fa fanohizana ny asa nataon’ny teo aloha no ataon’izao fitondrana izao ary tsy hita izay asa mivaingana ataony. Fisekosekoana sy fijejojejoana no betsaka, hoy i James Ratsima. Efa milamina ve ny vidim-piainana, ny jirama, ny vidin’ny solika, ny delestazy ? Aiza ho aiza ireo fampanantenana natao tamin’izany sy ny velirano, fa mbola tsy miatraika any amin’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy izany ankehitriny ? Raha izao no zava-misy, fito volana izay no lasa, tsy misy zavatra antenaina amin’izao fitondrana izao, fa zero, hoy izy.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.