Mitohy ny tolona fitakiana ny « iles éparses », hoy i James Ratsima raha nihaona tamin’ny mpanao gazety teny Andavamamba omaly izy sy ireo mpiara-dia aminy.
Izaho tsy matahotra fandrahonana sy fanambazam-bola toy ny nataon’ny tompon’andraiki-panjakana ambony nanatona ahy nanamby 500 000 euros hanginako sy hampijanona amin’izay an’io fitakiana io. Mbola hanatona an’ireo ben’ny tanàna rehetra vao lany indray izahay hanao sonia ny fitakiana ary miantso ireo raiamandreny am-panahy sy ireo mpino kristianina handray andraikitra amin’izay fa mila mivavaka marina ity firenena ity. Nambarany fa hoe : « Havaozintsika ny lalàmpanorenana nolovana tamin’ny Frantsay io ka hataontsika amin’ny tena malagasy madiodio. Hovana ny rafi-pampianarana na “système éducatif” misy ankehitriny eto amintsika izay mampikorosy ny taranaka faramandimby ary haverina amin’ny fanjakana avokoa ireo orinasam-panjakana rehetra nomena hotantanin’ny vazaha (Jirama, Telma, Solika …). Tsy tena mahaleotena izany isika ankehitriny, hoy i James Ratsima fa mbola hieran’ny mpitondra amin’ny Frantsay daholo izay tokony hatao eto ; afaka ovaina anefa izany hoy izy saingy mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra tena tia tanindrazana. Fikambanana roa sisa dia ny mandatehezana “Tena Tia Tanindrazana” sy ny fikambanana “Asandratro ny fireneko” no hanohy ny fitakiana ny « iles éparses » ankehitriny izay miroso amin’ny tokony ho izy raha ny filazan’Atoa James Ratsima. Efa niseho niharihary ny hevitry ny sasany, hoy izy ka aleo vitsivitsy tena izy toy izay be nahoana fotsiny izao. Nahitsy ny tenin’ireto fikambanana ireto omaly : « ny anay vahoaka tena vonona no ilainay fa tsy ireo voakaraman’ny vazaha ».
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.