Mivonona tanteraka hiditra amin’ny raharaha politika Atoa James Ratsima. Hilatsaka hofidiana Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra mantsy ny tenany raha sitrapon’Andriamanitra raha tsy hilatsaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Mila olom-baovao ny firenena, hoy izy ary tsy voatery ho amin’ireo antoko politika roa matanjaka ankehitriny. Nomarihiny fa mety tsy ho tanteraka amin’ny 28 oktobra ho avy izao, fotoana nomen’ny CENI ny fifidianana Ben’ny tanàna manerana ny Nosy noho ireo zava-misy maro samihafa. Ankoatra izay, tsy mahatoky ny CENI sy ny HCC intsony koa ny tenany tamin’ireo lalao maloto nataon’ireto farany tamin’ny fifidianana farany teo. Manahy ny amin’ny hametrahan’izao fitondrana izao PDS isaky ny kaominina Atoa James Ratsima. Mitady hiverina ny jadona, hoy izy ka mila mailo ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.