Tao amin’ny sehatry ny fanabeazana foana ny tenako hatramin’izay, hoy ny mpanabe sady mpampianatra mpikaroka,
Dr Geneviève Ramakavelo. Tokony hampijoro ny olompirenena, hoy izy, ny fanabeazana. Manome azy fahalalana. Ahafahany mihary. Ahafahany ihany koa mitondra ny anjara birikiny eto amin’ny firenena. Ny sehatra farany nandehanako dia teny amin’ny oniversite. Miresaka amin’ireo mpianatra momba ny fandehanan’ny firenena ny tena dia misy miteny hoe inona no tokony hiresahana izany aty am-pianarana, aty amin’ny oniversite? Miteny aho hoe fanabeazana no atao. Omena fahalalana ny mpianatra. Fahalalana ho an’ny mpiara-monina sy ny firenena. Izay manana kara-panondro rehetra izany dia tokony mahafantatra ny fandehan’ny raharaham-pirenena! Eny, tokony hanao politika! Izay rehetra hifidy tokony mahafantatra tsara ny tantaram-pirenena! Andeha hifidy ianao. Ny dikan’izany dia repoblika no misy antsika satria ny atao hoe repoblika dia ny vahoaka no tompon’ny fahefana. Ny maha repoblika antsika no hahafahantsika mifidy nefa fanamarihana ny 14 oktobra 1958 tsy nasiantsika sira. Izay ilay hoe tokony mahafantatra ny tantaram-pirenena ny olon-drehetra fa tsy mandeha an-jambany fotsiny! Raha hifidy ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra, mahafantatra ny tantaran’Antananarivo renivohitra ve hoe ahoana no fomba fitantanana teto hatramin’izay? Inona no mahasoa ny olona? Inona no tadiavin’ny olona? Olona manao ahoana izany no tokony hitondra eo fa tsy hoe rehefa omena an’ity dia mahazo an’itsy? Ny zava-misy eto Madagasikara izao dia mifampihinana ny malagasy. Misy simba sofina maheno izany nefa fahamarinana izany. Lasa samy te ho tafavoaka dia tsy maninona ny mangalatra, ny manao kolikoly. Ny sasany manao kolikoly hidirana ary. Ny sasany manao kolikoly ahafahana manao an’itsy. Ny sasany manao kolikoly ahafahany mahazo zavatra. Feno kolikoly! Aiza no sehatra tsy misy kolikoly, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.