IVON’NY

FANAVAOZANA NY REPOBLIKA


  • Alatsinainy 07 Septambra 2026

Ataovy haingana ny fikaonan-doham-pirenena

hirosoana amin’ny fifidianana
Ataovy haingana hoy Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika na ny IFR ny fikaonandoham-pirenena hirosoana amin’ny fifidianana tena izy. Tsy tokony hitamatama na ho varimbariana intsony isika hoy Ratovonanahary Rabetsintonta fa ny ratsy tsy kely lalana. Betsaka ireo miezaka mamingana ny fitondrana Fanavaozana mba tsy hahatongavana amin’ izany hoy izy. Manome soso-kevitra ny amin’ny hanaovana ny fifidianana lalam-panorenana vaovao araka izany ny IFR hahafahana tena mampandroso ny Firenena. Toraka izany koa ny tokony hampiharana ilay fanjakana federaly na ny Etat federal eto amintsika. Miezaka mivoy fatratra izany ny IFR ary mitety ireo Boriborintany miisa 6 eto an-drenivohitra mihitsy mampahafantatra ny vahoaka ireo karazana tombontsoa mety ho azo avy amin’izany. Manana teknisiana manokana momba izany ny IFR izay nanazava tamin’ny mpanao gazety fa mety raha samy misitraka ireo karazana tombontsoa ao amin’ny faritra misy azy avy ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny fanjakana federaly. Tsy tokony hivangongo ao amin’ny foibe intsony ny fahefana sy ny tombontsoa rehetra hoy izy fa tokony haparitaka. Teny amin’ny Boriborintany fahadimy sy faha-enina izy ireo ny faran’ny herinandro teo nanatanteraka dinidinika ambany tafontrano tao anatin’ilay lohahevitra hoe : Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika, fanjakana federaly antsika mirevy.
Pati
Legende: Ireo mpikambana eo anivon’ny IFR teny Ampandrianomby !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT