Raha tokony ho teny Ivato no nifamotoanan’ireo Ankolafy 3 sy ireo mpiara-dia aminy omaly dia niova tamin’ny ora farany izany ka tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka toy ny isan’nadro izy ireo no nifampizara vaovao.
Araka ny fanazavan’i Zafilahy Stanislas dia fanapahan-kevitra politika avy amin’ireo raiamandreny no nahatonga ny fiovana tamin’ny ora farany. Voalaza manko fa saika hisy hanarararaotra hanaratsiana ny Ankolafy 3 ny hetsika fitsenana ny Troika nokasain’izy ireo hatao ka izany no nanafoanana azy tamin’ny ora farany. Amin’ity anio ity kosa sy ny rahampitso, raha tsy misy ny fiovana dia hifamotoana eny Ivato, manoloana ny Paon d’Or ireo mpanao fihetsiketsehana avy amin’ny Ankolafy 3.
Tanjona amin’izany ny fanehoana amin’ny delegasion’ny Troika fa mitaky ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana sy ny filoha Ratsiraka ary ireo sesitany politika rehetra izy ireo. Miandry ny fotoana hampiharana ny sori-dalana an-tsakany sy an-davany koa izy ireo. Fampiharana izay hiarahana amin’ny SADC-Troika, raha ny fanazavana ihany. Manoloana ny dian’ireo vondrona politika miray firehana amin’i Andry Rajoelina tany Pretoria dia nambaran’ity solombavambahoakan’i Vavatenina ity fa tsy nahita ambara izy ireo tany ka resabe avokoa no natao tamin’ny haino aman-jerim-pirenena. Nohamafisin’i Constant Raveloson avy amin’ny MFM moa fa fanontaniana maromaro no napetraky ny Troika tamin’ireo delegasiona. Anisan’izany ny hoe : “inona avy no efa nataon’izy ireo hampisy fitoniana, hampilamina ny tany, hampalalaka ny fanehoan-kevitra hahazoana miroso amin’ny fampiharana ny sori-dalana ?”. Nanambara moa Raveloson Constant fa ho an’ny Ankolafy telo manokana dia tsy nanangan’ady izy ireo na dia nosakanana tsy haneho hevitra teny amin’ny Kianjan’ny demokrasia aza.
Ho azy ireo dia tsotra ihany ny resaka : “miverina ireo sesitany noho ny antony politika, eo koa ny famoahana ireo gadra politika rehetra, ny fanafoanana ny fanenjehana rehetra”. Avelao, hoy izy, handamina ny pitsopitsony rehetra ireo filohan’ny ankolafy 4 dia hilamina ny tany. Nambaran’ity mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko MFM ity ihany fa dia eo am-pijerena izany pitsopitsony hahatafavoahana ny baolina izy ireo amin’izao fotoana izao. Hanangana ny tetezamita tena izy isika, hoy ihany Raveloson Constant ka mila hamafisina ny saina tsy handairan’ny honohono sy ny tsaho. Nambarany ihany koa fa iriany raha mba tafaverina eto Madagasikara sy Antananarivo ireo rehetra nanao ratsy teo hahita fa nifoha ny Malagasy, hanao jery atrika amin’ny tetezamita tena izy. Ny sivily no tompon’ny teny farany, hoy ihany ity mpitaritolona ity na inona na inona lazain’ireo be galoana satria ny hery tsy hahaleo ny fanahy.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.