Politique

Ivato Aéroport Aiza ilay Kianja mitafo manara-penitra nampanantenaina ?


  • Zoma 17 Febroary 2023

Mbola manantena ? Dimy volana aty aorian’ny fampanantenana nipopoaka fa hanova endrika ny tanan’Ivato Aéroport, mbola ny eo ihany aloha no eo.

Tonga teny amin’ity Kaominina vavahadin’i Madagasikara ity, ny filoha Andry Rajoelina ny faran’ny volana septambra 2022, nijery toerana hananganana foto-drafitrasa izay fampanantenana nataony tamin’ny Vahoakan’Ivato tarihin’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa, voafidy tamin’ny lisitry ny Tiako I Madagasikara. Toerana mifanila toerana amin’ireo “building” efa mitsangana miisa 9 amin’ireo 38 tokony haorina eny an-toerana no hananganana kianja mitafo manara-penitra izay nambara fa isany handraisana ny Lalaon’ny Nosy na « Jeux des Iles », andiany faha-11 hatao eto Madagasikara amin’ity 2023 ity raha tsy misy fiovana amin’ny fotoana farany. Hisy koa fanorenana “Complexe sportif” izay ahitana kianja filalaovana baolina kitra lalaovin’olona fito, kianja sady azo ilalaovana baskety sy Volley, fanaovana tsipy kanetibe, sns. « Asa mitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna toy izao ataonao izao Andriamatoa Filoham-pirenena no andrasan’ny vahoaka ety aminay. Matoky anao izahay fa izay zavatra ampanantenainao tsy maintsy tanterahanao», hoy i Penjy Randrianarisoa, Ben’ny tanànan’Ivato, izay Kaominina vavahadin’i Madagasikara ity. Nisy indray anefa ilay fanambarana ampahibemaso nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fambolen-kazo tany Ilaka Est ny sabotsy 28 janoary 2023, fa ajanona avokoa ny fanaovana fotodrafitr’asa fa hiompana amin’ny sosialy ny asan’ny fitondram-panjakana. Toa sosoa voatapo-drano ny fientanana sy fanantenan’ny mponin’Ivato eo anatrehan’izany.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT