IRMAR maro no tsy mety mamindra fahefana

Tonga hatrany amin’ny fanapitsohana birao


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Maro ireo toerana nisy kandida ben’ny tanàna IRMAR resy tamin’ny fifidianana no tsy mety manao famindran-toerana

erak'i Madagasikara indrindra raha vao avy amin’ny fanoherana toy ny Firaisankiana no lany, raha ny fanamarihana voaray. Miara-miasa amin’ny solotenam-panjakana sasany ry zareo no manao izany. Tany Soavina Betafo izao dia tsy mety tonga nanao famindran-toerana ny ben’ny tanona sy ny « Trésorier Comptable » ka voatery nopitsohana ny birao, delegem-panjakana no nanatrika teo, ka voatery natao ny fitanana an-tsoratra na « PV ». Any Mahaboboka Distrikan’i Sakaraha dia misy ny fanamarihana voaray fa ny Distrika mihitsy no mamoaka taratasy tsy hanaovana fifamindram-pahefana,… Endrika maneho politika mirefarefa sy tsy fahazakana na tsy finiavana hampihatra ny demokrasia. Dia efa azoazo sary an-tsaina izany ny mety ho endrika antsojay politika samihafa kotrehina hatao ireo ben’ny tanàna avy amin’ny fanoherana, fa fihatsaram-belatsihy politika ny filazana fa hiara-hiasa amin’ireo rehetra lany ny Fanjakana raha tarafina amin’itony toe-javatra mamohehitra itony. Nialohan’ny fifidianana dia efa novoizina ny hoe : hatao antsojay, tsy hahazo fanampiana, tsy hisitraka ireo tombotsoa samihafa,… raha vao tsy kandidan’ny IRMAR no laniana. Dia ireny efa niaraha-naheno ireny ohatra ny hoe : masomboly vary safiotra sy zezi-bazaha mety hamotika ny tany avy no hamilafilana ireo kaominina 4 ao amin’ny distrikan’i Betafo tsy nampandany IRMAR. Mety ho toy izany ihany koa amin’ireo zavatra hafa mety hahasoa ny kaominina saingy haverina foana hoe : volam-panjakana izay midika fa volam-bahoaka sa volan’antoko no nividianana an’ireny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT