Ny alarobia 17 jolay teo no nivory nifidy izay ho filohany ireo mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina.
Lanin’ny mpanolotsaina 19 tamin’izany Atoa Franck Davidson, ny Dr Hassanaly Patrick no filoha lefitra voafidy. Ny Zokiolona Pr Mangalaza Eugène sy Dr Avizara Prisca zandriolona no nitarika ny fivoriana satria ny filoha teo aloha voatendrin’ny fanjakana ho PDS-n’ny kaominin’i Toamasina I. Ny 04 jolay teo no feno iray volana ny naha PDS an’Atoa Razafimanana Christain. Niezaka nangina avokoa ny rehetra naheno sy nahita izany, saingy ankehitriny kosa dia miteny avokoa noho ny fahitana ny fitotongan’ny kaominina, izay mihamafy noho ireo tranga teo aloha raha ny zava-misy. Nambaran’ireo mpanolotsaina nanontaniana, sy ireo mpiasa manomboka ny ho kivy tanteraka, fa tao anatin’ny iray volana naha PDS an’Atoa Razafimanana Jean Christain, dia voatendry hiasa eo anivon’ny kaominina avokoa ny fianakaviany sy ireo namany ary ireo olom-patatry Rtoa solombavambahoaka. Ny tena olana izao anefa dia ny resa-bola, satria tao anatin’ny iray volana monja dia efa nahatratra 200 tapitrisa ariary ny vola navoaka tamin’ny vidin-tsolika nampiasan’ny kaominina sy ny ekipan’ny mpanatanteraka. Mbola nanamafy anefa ny PDS Razafimanana Jean Christain fa na fotoana fohy aza no haha PDS azy noho izy ho kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy eo, dia vonona hiasa ny tenany sy ireo ekipany. Tahaka izany ny fahazoana ireo takamoa an’arivony hapetraka amin’ireo andrinjiro amin’ny fiaraha-miasa amin’ny jirama. Hisy koa ny ho fampidinana ho 3.000 ariary sy 1.000 ariary ary ho 500 ariary ho an’ny mpianatra ny hetra natokana amin’ny moto sy ny bisikileta araka ny fangatahan’ny mponina tamin’ny PDS.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.