Hatramin’ny nidiran’ny Troikan’ny SADC an-tsehatra tamin’ny asa fanelanelanana dia hita ho nihazakazaka ny toe-draharaha teo Madagasikara.
Voasonia ny sori-dalana, rehefa misy ny fifampidinihana dia misy foana ny fanambarana iombonana mivoaka, tsikaritra ihany koa fa tena mipetraka amin’ny toeran’ny maha mpanelanelana azy ry Marius Fransman sy ny ekipany fa tsy hafahafa fomba fiasa tahaka ny Dr Simao, izay tsikaritry ny maro fa efa lasa zanaka an-trano ao Ambohitsorohitra sy Iavoloha ary Mahazoarivo mihitsy. Hita fa tena haingam-piasa ny Troika ary manaraka drafitra mazava, voasonia ny sori-dalana, dia misy ny fanazavana tsara izay voasoratra, tonga indray avy eo ny fampahafantarana ny fomba hanatanterahana izay voasoratra, dia mivoaka ny tetiandro hanaovana ny asa.
Tao anatin’ny iray volana no nahavitana izany rehetra izany, satria ny 17 septambra no nosoniavina teny amin’ny Le Paon d’Or Maibahoaka ny sori-dalana, izany hoe iray volana katroka amin’ity anio ity, dia ny zoma teo dia efa mazava ny resaka rehetra amin’ny fanatanterahana azy sy ny daty hanendrena ny praiminisitra sy ny parlemantera. Samy niaiky ny andaniny sy ny ankilany tamin’ireo mpanao politika fa sarotra sy tena nafana ny adihevitra, saingy matoa vita ny sonia dia nisy ny marimaritra iraisana ary tena nahavita ny asany ny mpanelanelana. Iray volana aty aorian’ny fahavitan’ilay sonia dia tsikaritra fa tsy misy intsony ireo fifandirana sy fifamihantsina lavareny eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ary na ny fomba fiteny aza dia hita fa efa mitovitovy.
Tsy tokony hohadinoina fa tena nanizingizina mihitsy ireo ankolafy politika akaikin’i Andry Rajoelina roa volana lasa izay fa tokony hijanona amin’ny toerany ny praiminisitra Camille Vital, ankehitriny anefa dia nilaza ny TGV sy ny UDR-C fa tsy hanolotra anarana praiminisitra izy ireo noho ny fanajana izay voasoratra ao amin’ny sori-dalana araka ny volazan’ny andininy faha-5 fa olona tsy mitovy fiaviana sy firehana politika amin’ny filohan’ny tetezamita no tendrena ho praiminisitra.
Tato anatin’ny roa herinandro koa izay, izany hoe taorian’ny sonia teny Maibahoaka dia tsy dia misy mpanao politika mitabataba manohitra ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto intsony, fa tahaka ny samy mody fanina avokoa, araka ny fomba fiteny izy ireo. Tsara homarihana ihany koa amin’ny sehatra politika avo lenta tahaka ny mitranga eto Madagasikara izao dia misy ny zavatra tsy ambara amin’ny besinimaro fa dia ireo mpivory ihany no mahalala azy. Na dia eo ihany aza ny fahasosoran’ny olona amin’ny fihetsiky ny mpanao politika malagasy dia maro kosa anefa no manomboka velom-panantenana indray ankehitriny noho ny fahitana fa hay, mahay mifanaraka ihany ny mpanao politika ka afaka ny hiara-miasa. Ny tena andrasan’ny maro izao dia ny fanendrena izay ho praiminisitra amin’ny 01 novambra satria mitana toerana lehibe ao anatin’ny tetezamita izay olona ho voatendry eo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.