Politique

Iraky ny Troika Hiverina eto ny amin’ny herinandro ambony


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Iraka tafiditra amin’ny dingana ho fandaminana ny krizy eto Madagasikara ity ho avy amin’ny herinandro ambony ity.

 Ny saika hiseho dia ny profesora Zafy Albert no hihazo an’i Afrika Atsimo, satria nisy fanasana na fampiantsoan’ny Troika azy. Azo antoka fa hanamafy izany no nahatongavan’ny sekretera voalohany sy faharoa ao amin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo teny an-tranony amin’ny “Villa La Franchise” eny Ivandry omaly talata. Araka ny loharanom-baovao dia te haka toky amin’ny filoha Zafy ny Troika raha tena tolotra avy aminy marina no naha kandida praiminisitra an’i Jean Omer Beriziky. Mikasika an’io moa dia fantatra fa efa nanamafy an-tsoratra ary nandefa izany any amin’ny Troika ny profesora Zafy, fa tena olony marina i Beriziky. Ity farany koa dia efa nisaotra an-tsoratra ny Pr Zafy Albert tamin’ny safidy niantefa taminy sy ny fitokisana azy, ary nanome teny fa hanaraka antsakany sy andavany ny tondrozotra. Nilaza moa ny Pr Zafy fa tsy afaka hihazo an’i Afrika Atsimo fa niangavy koa ny troika ho avy eto. Ka tamin’izay no nahalalana fa amin’ny herinandro ambony no higadona eo indray ny iraky ny Troika amin’ny herinandro ambony, vanindrandro izay hifanojo indrindra amin’ny fananganana ny governemanta.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT