Mbola manjavozavo tanteraka ny raharaha Boeing 777 miisa 5 mahasaringotra
ny mpitondra Malagasy sy mahatafiditra an’i Madagasikara amina heloka iraisam-pirenena noho ireo fiaramanidina nomena laharana Malagasy, nentina antsokosoko any Iran. Ity Firenena ity izay iharan’ny ankivy iraisam-pirenena tsy afaka mividy sy mampiasa ireo teknolojian’ny fiaramanidina vokarin’ny Amerikanina sy ny Tandrefana. Ampangaina ho mikotrika asa fampihorohoroana, manitsakitsakitsaka ny zon’olombelona,… Tsy dia antenaina ny hivoahan’ny marina raha ny Fanjakana Malagasy no ianteherana, ka andrasana ny mety ho tohiny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka ny mpitondra isan’ambaratongany niainga tamin’ny Minisitry ny fitaterana izay nesorina Atoa Valery Ramonjavelo, ny teo anivon’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar), ny Fanjakana Foibe,… Nolazaina fa nanaovana hosoka ny dosie, novaina ny daty,… Nosamborina ilay teratany Indianina Khushwinder Singh sy Malagasy iray Andriamananarivo Heriniaina Rijasoa, izay mpitantana ny orinasa UDAAN Potentials Ltd, nahafahana nangataka ny antontan-taratasy CIP (Certificat d’Immatriculation Provisoire) sy CNP (Certificat de Navigabilité Provisoire). Nisy olona 4 notazonin’ny manam-pahefana ka voalaza fa mpiasan’ny ACM ny roa, raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray. Betsaka ny zavatra mampiahiahy na ny fiezahan’ny olona ambony samihafa miaro tena manoloana ny fifandraisana tamin’ireo olona voasambotra aza indrindra fa ilay teratany Indianina. Ny Jeneraly Ravalomanana Richard Filohan’ny Antenimierandoholona nilaza fa tsy nahalala iny olona iny mihitsy raha tsy tamin’ny diany tany Londres vao tsy ela kanefa misy mamoaka ny sary niarahan’ny andaniny sy ny ankilany efa tamin’ny 2019. Lazaina fa mpanolotsaina tsy mandray karama ka inona no tambiny ? Inona no tombotsoan’io vazaha io tamin’ny toerana nolazaina fa nomena azy tsy nisy fandraisana karama ary fanendrena ara-panjakana matoa nisy hoe : « abrogation » ?
TSY MISY IFANDRAISANY TAMIN’NY IRAKA TANY IRAN ?
Asa soa izany no nataony tao amin’ny Antenimierandoholona niaraka tamin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard ? Rehefa nivoaka ihany koa avy eo didy fampikarohana sy ny tatitra momba ny toerana nahasamborana azy, dia voalaza fa tetsy Faliarivo Ampitatafika. Misy mamoaka fa tao amin’ny trano fonenan’ny depiote Augustin Andriamananoro. Tsy nisy ny filazana ofisialy mikasika an’io hoe : tao amin’ny fonenan’ity depiote ity tokoa ve sa tsia, fa ny azo ambara sy ny fahalalana azy, dia eny Faliarivo Ampitatafika no isan’ny fonenan’io depiote io. Asa na tao amin’ny fonenany tokoa na toeran-kafa ? Voalaza fa tsy eto an-tanindrazana i Augustin Andriamananoro ankehitriny ka asa hoe : misy ifandraisany amin’ity raharaha ity sa fifandrifian-javatra ? Ny tsara homarihina, dia isan’ny olona mahatokin’i Andry Rajoelina nanomboka tamin’ny raharaha 2009 i Augustin Andriamananoro, izy no isan’ny nitarika ny iraka ofisialy nisolo tena an’i Andry Rajoelina tany Iran ny jolay 2024, izay nifandrify tamin’ny fihanianan’ny Filoha Iranianiana Masoud Pezeshkia. Isan’ny tany Iran niaraka tamin’i Augustin Andriamananoro ihany koa i Joël Randriamandranto ny Minisitry ny fitaterana teo aloha, izay mitantana ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar). Ny EDBM no rafi-panjakana mahefa amin'ny fahafahana fananganana orinasa eto Madagasikara. Ity farany izay voalaza fa manam-pahaizana momba ny fitaterana an’habakabaka, manana diplaoma ambony momba ny « génie mécanique »,…
INONA NO AO AMBADIKY NY FAMPIASANA INDRAY NY ANARAN’NY AIR MAD ?
Voatendry mangingina ho Filohan’ny filankevi-pitantanana na PCA an’ny Air Madagascar ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Joël Randriamandranto, raha ny lahatsoratry ny Africa Intelligence ny 17 jolay 2025 teo, saingy tsy nisy fanamarinana na fandisoana ofisialy an’io. Raha tena marina io, dia mbola misy zavatra hafahafa, mifandraika amin’ny ampamoakan’i Rinah Rakotomanga ny efa ny 27 jolay niampanga an’i Valery Ramonjavelo, dia nilaza fa CTA (Certificat de Transport Aérien) an’ny Air Madagascar aza efa tsy manan-kery intsony ary tsy azo atao izany raha tsy mazava ny fanefana ilay trosa satria sady tsy ara-dàlana no mandika lalàna no mamitaka ireo tompon-trosa. Mikasa ny hanao « détournement d'actif » ianareo ary hoe hafindra any amin'i Madagascar Airlines ny fananan'i Air Madagascar rehetra. Raha raisina amin’io, dia hafahafa ny mbola fanendrena PCA an’ny Air Madagascar, kanefa ireo boeing 5 aza voafaritra tany aloha fa ho ho ampiasain’io efa novonoina io. Fifandrifian-javatra ve ireo rehetra ireo ? Fifandrifian-javatra ve ny nisafidianana an’Atoa isany Augustin Andriamananoro sy Joël Randriamandranto tany Téhéran heritaona lasa ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.