Politique

Iraka ara-pifidianan’ny SADC “Hojerena raha tena vonona ny CENI”


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Nanomboka ny 24 jolay hatramin’ny 01 aogositra ny fihainoan’ny iraky ny SADC (Southern African Development Community)

ireo herivelona politika eto Madagasikara. Antoko politika 9 hatramin’ny omaly no voalaza fa efa voaray, ka anisan’izany ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny avy amin’ny Arema notarihin’ny Sekretera nasionaliny Rtoa Annick Ratsiraka. Naharitra Ora 2 teo ny fihaonana teo amin’ny SADC sy Atoa Hery Rajaonarimampianina. Nambaran’io Filoha teo aloha io, fa nojerena ny zava-misy eto amin’ny firenena, ireo teboka samihafa, andraikitry ny CENI, anjara andraikitry ny HCC, resaka zom-pirenen’ny Filoha am-perin’asa. Tanjona napetrak’izy ireo ny hoe: manaja ny “principe” sy “ligne directrice” an’ny SADC amin’ny resaka fifidianana, hoy Atoa Hery Rajaonarimampianina. Ho an’ny Arema kosa, dia ny nanolo-kevitra amin’ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ny alalan’ny “vote éléctronique” izany hoe: hampiasana teknolojia, izay soso-kevitra efa nataon’ny Amiraly tamin’ny 2018 mba hanana antoka amin’ny fifidianana. Betsaka rahateo no very fanahy amin’ny fahadiovan’ny fifidianana. Nanamafy kosa ny iraky ny SADC tarihin’ny Filohan’ny filankevitra mpanara-mason’ny fifidianana eo anivon’io rafitra io, fa mbola hihaino ireo Vondrona politika. “Hijery raha misy lalàna izay ahafahana mitantana ny fifidianana. Hojerena raha mifanaraka amin’ny làlan-tsain’ny SADC. Hojerena raha tena vonona amin’ny fiatrehana sy fitantanana ny fifidianana ny CENI. Hanao tombana ny tontolo politika sy fifidianana raha tena azo antoka amin’ny hanatanterahana fifidianana mangarahara sy milamina, mifanaraka amin’ny làlan-tsain’ny SADC”, hoy ny fanazavana. Ao anatin’ny tsiambaratelo avokoa ny fihaonana, ary mnbola hisy ny tatitra ataon’io rafitra io. Marihina fa ny novambra 2022 no efa tonga teto ireo iraky ny SADC ireo, ary izao miverina izao indray.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT