Io indray ilay fanambakana !

Atao falifaly iray andro, fa sahirana mandava-taona


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Ireo mbola afaka mandinika dia nieritreritra lalina ny amin’ny filaharana lavareny

tazana teto antananarivo taorian’ny voka-pifidianana Filoha navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na ny HCC. Inona moa izany no mbola antony nisiana karazana famoriam-bahoaka kanefa tsy vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra intsony ? Ary ny nahagaga dia ny iray tamin’ireo kandida no namory vahoaka, izany hoe ilay nambara fa lany dia raikitra ny fizarana ilay jirokely manazava efitrano.

FALY IRAY ANDRO, SAHIRANA MANDAVA-TAONA Raha ny fahafantarana azy dia azo avy amin’ireo mpiara-iombon’antoka ny tetibolan’iny jiro iny fa tsy hoe natolotry ny filoham-pirenena, araka ilay serasera ezahana atao mafy be . Mety mbola azo nekena ihany raha hoe avy amin’ny fitondram-panjakana. Taorian’io dia raikitra ihany koa ny filaharambe nanoloana sy nanodidina ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny zoma mialohan’ilay fianianana. Iny eo ihany fa rehefa nadihadiana ireo olona nilahatra dia samy nilaza hoe sao dia mba hitsikian’ny vintana amin’ilay Tombola goavana hahazoana trano eny Ivato, na mba mahazo kely amin’ireo tolotra hafa hosarihina mandritra io vanim-potoana hanaovan’ny filoha fianianana io. Rehefa jerena izany ilay sary miseho dia tahaka ny hoe mahazaka olona be mihitsy izany prezida izany kay … Rehefa tena dinihiana tsara anefa dia paikady efa voaomana narahana serasera totoafo tena mihatra any amin’ny amparahatok’ireo vahoaka sahirana sy/na reraky ny fiainana ka mba mila zavatra manaitaitra sy mamalifaly kely no natao. Maro ireo tsy nanaiky ho voarebireby fa betsaka koa ireo tonga, tsy azo lavina izany. Fifaliana tapak’andro ihany anefa iny fa vao tonga ny ampitso alahady , vita ny fety be sy ny Tombola ary ny afomanga teny Mahamasina dia miverina amin’ilay fiainana nahatsembo-dratsy nandritra ilay 5 taona efa lasa teo ary mbola hiampy 5 taona hafa indray izany.

TSY NY MORA NO MAMPANDROSO FA NY ASA
Tsy hoe fahotana ny mamalifaly vahoaka amina andro iray toa zato fa ilay fanararaotana ny fahasahiranan’ny olona , izay maro no tsy ampy fahalalana ka tsy hiasa saina firy amin’ny resaka politika vao lenta no manahirana.Tsy efa nizarazara zavatra foana ve teto nanomboka ny taona 2009, nisesy tao daholo ny karazana mora : vary mora, menaka mora, trano mora, jiro mora, branchement mora, fa moa ve nihatsara ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy ? Ny tarehimarika farany nivoaka no milaza fa voalohany amin’ny fahasahiranana ara-tsakafo i Madagasikara, izay tany afaka mamokatra tsara anefa ary faharoa avy aty amin’ny rambony raha eo amin’ny resaka fahantrana. Tsy ho vitan’ny fizarazarann-ajjavatra etsy sy eroa iisaky ny fety ny fandresena ny fahantrana fa mila paikady matotra ary tokony efa natomboka ela, fa amin’izao very 10 taona indray i Madagasikara ; izao ve vao miteny hoe hifantoka bebe kokoa amin’ny sosialim-bahoaka ? Fa inona fotsiny izany no natao teto hatramin’izany hoe nitonndrana ny fanovana izany ny taona 2009 ? Ilaina ny fifanampiana, fifanampiana mampandroso fa tsy fanampiana manambaka. Fanabeazana, fikarohana, famoronan’asa, fampitomboana ny famokarana, fahasalamana, fametrahana fandriampahalemana izany no tokony imasoana eto, ireo no fototry ny fampandrosoana ny fiainan’ny isan-tokantrano fa ny ankoatran’izay resa-be mandany jiro.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT