INTERNATIONALE LIBERALE

Nirotsaka nanara-maso ny fifidianana


  • Zoma 17 Novambra 2023

Antananarivo renivohitra, Ivato, Ambohidratrimo, Mahitsy hatrany Ankazobe, Anosizato,

Imerintsiatosika, Arivonimamo, Andoharanofotsy, Ambatofotsy, Behenjy, Ambatolampy, Namehana, Ambohimalaza Miray, Ambanitsena, Ambatolaona, Carion… Anisan’ny toerana nalehan’ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Internationale Libérale (LI) ireo omaly Alakamisy 16 Novambra taona 2023, vaninandro nanatanterahana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenen’i Madagasikara. Miisa 12 mianadahy ireo mpanara-maso avy amin’ny Internationale Libérale ireo ary nizarazara tamin’ny faritra samihafa. « Nizotra tam-pilaminana ny raharaham-pifidianana hatreto hoy izy ireo omaly atoandro. Mbola hiresaka amin’ny mpanao gazety ihany izahay hilaza ny fahitanay ny zava-nisy araka ny fanaraha-maso nataonay”, hoy ihany ireo andiany tonga teny amin’ny foibem-pandatsaham-bato EPP Mandrosoa Ivato omaly. Anisan’ireo Fikambanana sy Vondrona avy any ivelany na iraisam-pirenena miisa 25 nahazo fankatoavana hanara-maso ny fifidianana eto amintsika ny Internationale Libérale. Mitarika ny iraka ny Praiminisitra teo aloha tany Guinée, Cellou Dalein Diallo. Tompon’andraikitra ambony manana traikefa amin’ny raharaham-pifidianana avy amin’ny firenena samihafa kosa no mandrafitra ny delegasiona. Noho ny fandalàny ny fahitsiana sy ny soatoavina demokratika dia sarotiny amin’ny tsy fitanilàna amin’ny fanatanterahana ny fanaraha-maso ny fifidianana izy ireo. Vantany vao tonga teto Madagasikara moa ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Internationale Libérale ireo tamin’ity herinandro ity dia nihaona tamin’ireo ankolafy mifaninana sy tsy mitovy hevitra amin’izao fifidianana izao. Nisy ny fihaonany tamin’ny solontenan’ny Kandidà Andry Rajoelina, ny Kandidà Siteny Randrianasoloniaiko, ny dinika tamin’ny avy amin’ny Collectif des candidats (C10).
Pati
Legende : Nandritra ny fanaraha-maso nataon’izy ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT