Politique

International Liberal Lalana hamerenana ny demokrasia ny sori-dalana


  • Alarobia 12 Oktobra 2011

“Ny fanasoniavana iny sori-dalana iny dia hamaritra ny tetiandro rehetra hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna”, hoy i Manadafy Rakotonirina ao anatin’ny gazety fampitam-baovaon’ny International Liberal.

 Izy rahateo moa no filoha lefitr’ity vondrona politika iraisam-pirenena ity. Tao anatin’izany no namintinan’ny filohan’ny MFM ny fandehan-draharaha eto Madagasikara. Hitondra any amin’ny tetezamita iaraha-manana, handraisan’ny rehetra anjara iny sori-dalana iny, araka ny fanazavana. Anisan’ny nodinihana nandritry ny kongresy faha-57-n’ny International Liberal natao tany Manille (Philippine) moa ny raharahan’i Madagasikara sy ny sori-dalana voasonia izay mamaritra fa hifampizaran’ireo filoha lanim-bahoaka telo dia i Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Marc Ravalomanana sy ingahy Rajoelina ny fahefana. Efa an-taonany no nisavorovoroana teto Madagasikara ka ny fanasoniavana iny sori-dalana iny dia hanokatra an’i Madagasikara amin’ny fifidianana ato anatin’ny herintaona, hamerenana ny demokrasia. Notsiahivin’ilay lahatsoratra moa fa ny volana aprily 2009 dia nosamborin’ireo miaramilan-dRajoelina i Manandafy Rakotonirina, filoha lefitry ny International Liberal ary voatendry ho praiminisitr’I Marc Ravalomanana tamin’izany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT