Politique

“Institut electoral EISA” Miara-miasa akaiky amin’ny vehivavy parlemantera


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Namaramparana ny atrikasa notarihany tamin’ity taona ity teny Tsimbazaza ny EISA izay nivoy tsy tapaka ny miralenta tao amin’ny fandaharanasa notanterahiny. Niainga teo amin’ny fanampiana ireo vehivavy parlemantera noho ny efa

nahatafantsaganan’ny ASAFFA    izay miasa mandritra ny 5 taona ary mety hitohy eo anivon’ny Antenimierandoholona atsy ho atsy. Niavaka ny zavatra nataon-dry zareo teny Tsimbazaza ny zoma teo satria nisy ny fanolorana ny site Web noforonina hoenti-mampahalala ny amin’ireo mpikambana andriambavilanitra solombavambahoaka sy ny andraiktra sahanin’izy ireo amin’ny asa atao ary koa ny fampahafantarana ireo lalàna nodinihan-dry zareo izay tokony ho fantatry ny rehetra. Ry zareo solombavambahoaka no hitantana sy hikirakira ny ao anatin’ity tranonkala ity. Tafiditra ao amin’ny fanentanana ny vehivavy rehetra handray andraikitra eto amin’ny firenena izany  ary efa nahitam-bokatra fa efa niakatra 20 % ireo vehivavy lasa parlemantera raha tsy nisy afa-tsy 11 % izany teo aloha. Nisy koa tetsy ankilany ny famoahana ny “agenda” na fitsiahy fampahafantarana ny Antenimieram-pirenena amin’ny ankapobeny sy ny mombamomba marina an’ireo depiote rehetra izay somary nanahirana ihany fa nila fankatoavana avy amin’izy ireo feno. Nambaran-dRtoa Jessica R. Andreas fa tsy hitsahatra mihitsy amin’ny ady amin’ny miralenta ny Eisa amin’ny ankapobeny.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT