Nafana ny fandraisain’Imerintsiatosika an’ny kandida Robinson Jean Louis sy Neny omaly. Nirohotra nitsena azy ireo ny vahoaka rehefa tonga ireo fa tsy tana tany an-tsena. Handray tanana e ! Nilaza Rakotomanjato Rodin, nisolotena ny mpampiantrano, fa mahay politika i Imerintsiatosika.
Ambony amin’ny vahoaka ny fiverenan’i Dada ary ny fampandrosona ho azony miaraka amin’ny Dr Robinson Jean Louis ka dia nifidy anao izy ireo tamin’ny fihodinana voalohany, hoy ihany Rakotomanjato Rodin izay kandida depiote any Arivonimamo. Ampy izay fahantrana 5 taona izay, hoy Rakotomanjato Rodin, ka tongava maro arotsahy ny vato ho an’ny Dr Robinson amin’ny 20 desambra. Manome toky aho, hoy hatrany Rakotomanjato Rodin fa vao lany isika dia miverina amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka.
Nanamafy izay fangatahana izay i Neny. Tsy nisalasala ny tenany nanome torimarika hoe ataovy be noho ny teo aloha ny vato, hananan’ny vahoaka Malagasy fiainana mendrika. Hasiantsika “cantine scolaire” ho an’ny mpianatra manjinika, hahita asa mendrika ny tanora. Zava-poana anefa izany rehetra izany, hoy i Neny fa angataho am-bavaka.
Nisaotra ny Distrikan’Arivonimamo ny dokotera Robinson Jean Louis ary manantena ny tenany fa hanome azy vato be kokoa iny faritra iny amin’ny 20 desambra. Mendrika ho Kaominina ambonivohitra i Imerintsiatosika hoy izy ka hataontsika izany, hanorenana lisea teknika sy lisea “agricole” hianarana momba ny fambolena sy fiompiana. Nasiany fanamarihana manokana moa ny fampianarana. Averina, hoy izy, ny “kit-scolaire” tena izy. Noana anefa ny mpianatra raha tsy miasa ny ray aman-dreniny ka vohaina ireo orinasa nikatona, averina koa ny “Zone Franche” ary atao akaiky ny toerana misy ny mponina. Rehefa voky ny mpianatra, miasa ny ray aman-dreny dia mila tony ny mpampianatra ka ampidirana mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM. Ao anatin’ny telo taona hanaovantsika izany rehetra izany, hoy i Dr Robinson Jean Louis. Nofinofy avokoa anefa izany raha tsy izaho no lany, hoy ity farany. Raha izaho kosa no eo dia tena ho vehivavy ny praiminisitra ary efa vita ny safidy fa i Neny. Tsy maintsy fidina koa anefa ny depiote dia Rakotomanjato Rodin ho an’Arivonimamo. Tafita ny hafatra tamin’ny fihodinana voalohany, hoy i Dada raha niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana avy any Afrika Atsimo. Nandresy isika ary tsy mantsy handresy amin’ny fihodinana faharoa. Matoky aho, hoy i Dada, fa mbola afaka manao bebe kokoa ianareo na dia mifafy aza ny vola. Dr Robinson Jean Louis ihany no “favori”, hoy i Dada, Rakotomanjato Rodin hanamaro isa ao amin’ny Parlemanta ary i Neny ho praiminisitra. Ireo no tanteraka dia tafavoaka isika, ka ampitao any amin’ny rehetra izany hafatra avy amin’i Dada izany. Alarobia Ambatomanga, Alarobia Vatosola, Fihaonana Distrikan’Ankazobe ary Imerintsiatosika no toerana nanohizan’ny Dr Robinson Jean Louis sy Neny Lalao Ravalomanana ny fampielezan-kevitra omaly.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.