“Tsy hitsara ireo zavatra efa lasa fa tokony hipetraka sy hitodika amin`ny tsaratsara kokoa isika. Mendrika zavatra tsara ny tanànan`Antananarivo amin`ny maha renivohitra azy”, hoy i Imbiki Herilaza, mpahay lalàna,
raha nanontaniana ny heviny amin`ny maha zava-dehibe ny fifidianana ben`ny tanàna eto an-drenivohitra. Nanomboka teto ny zavatra rehetra misy eto Madagasikara, ka antony maha manan-danja ny fametrahana ben`ny tanàna eto Iarivo, hoy izy. Olona mankatia ny tanàna no mipetraka eo amin`ny fitantanana satria te hametraka ny maha izy azy an`Antananarivo fa tsy noho ny kajikajy politika. Mila olona efa mahafantatra ny tanàna rahateo. Nilaza kosa ity mpanao lalàna ity fa olona efa niantsehatra ara-politka sy ara-tsosialy teo anivon`ny tanàna ihany koa no ilaina satria sarotra no mitantana azy ity. Farany, mila olona mahay miara-miasa amin`ny fitondram-panjakana. Raha hifanohatra eto foana dia tsy handroso isika. Tsy olona ambany vahohon`ny fanjakana fa afaka miara-miasa sy mifampiresaka ho an`ny tonbontsoan`ny tanàna sy ny vahoaka. Nambarany hatrany fa eto no tena ahitana ny vahoaka isaky ny faritra. Eto no ahitana ny fandrosoana lehibe indrindra eto Madagasikara ka mila olona mahafehy izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.