Politique

Imbiki Herilaza “Tokony ho olom-boafidy no mitarika ny fanoherana”


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny lalàna mifehy ny fanoherana ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza.

 

 Iaraha mahalala ny lalàna 2011-013 mahakasika ny fanoherana izay mipetraka kanefa tsy tokony adinoina fa ny lalàna dia miaina ary mila mivoatra manaraka ny zavatra takian`  ny fiaraha-monina sy ny raharaha politika ka antony nahatonga ny fanapahana haverina atao vaovao ny lalàna ary hatsaraina kokoa. Araka ny nambarany fa miainga avy amin` ny Antenimieram-pirenena ny raharaha politika rehetra na ny fanendrena ny praiministra na ny fiaraha miasa eo anivon` ny governemanta. Mba ahafahana mihaino ireo vitsy an` isa dia napetraka io sata mifehy ny mpanohitra io. Ao anatin` izany no ahafahana mametraka ny atao hoe “institualisation de l`opposition”. Nohazavainy fa tsy ilay fidinana an-dalambe na fikomiana no hahazava dehibe ny mpanohitra fa anaty adihevitra demokratika no mametraka ny fanoherana. Anaty ity rafitra solombavambahoaka ity no hanolorana izay olona hitarika izany fanoherana izany. Anatin` io no afaka manolotra tolo-dalàna ary ao izy no afaka mifanerasera amin` ny Praiministra. Mangataka amin` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny zavatra maro samihafa. Iaraha mahafantatra ny “condition de recevabilitè « eny amin` ny HCC, hoy ihany izy. Ny lehiben` ny mpanohitra, amin` izay, dia afaka manasazy ny governemanta amin` ny alalan` ny « motion de censure ». Fivoarana no entin` io lalàna io ary fanatsaràna bebe kokoa ary olona mianga voafidin` ny vahoaka no tokony hitarika izany fanoherana izany, hoy hatrany Imbiki Herilaza.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT