« Maro ireo lesona azo raisina nandritra ny kabarin`ny Papa Fransoa ary tokony horaisina na ny fitondram-panjakana na ny vahoaka Malagasy », hoy Imbiki Herilaza, mpahay lalàna.
Nazava ny kabarin ny Papa Ray Masina fa niompana amin ny fitsinjovana ny mahaolombelona, ny tontolo ara-boajanahary ny maha Malagasy. Mino koa izy fa hisy vokatra amin’izao fandalovan ny papa izao indrindra eo amin`ny tontolo politika. Mafampana mantsy ny tontolo politika tato ho ato. Nambarany fa ilay fifanajana sy fifampihainoana ary ny fametrahana ny demokrasia no tena zava-dehibe azo raisina voalohany amin`izao. Tokony hifampihaino ny mpitondra sy ny mpanohitra satria firenena hikambanana izy ity ary ny Papa Ray Masina aza dia efa nahatsapa sy nitondra izay hafatra izay.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.