Politique

Imbiki Herikaza « Mila fifohazan-tsaina faobe isika… »


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Efa hiditra ao anatin’ny fahenim-bolana nitondrany ny Filoham-mirenena amin’izao fotoana izao.

 

 

 Manomboka tsapa ny finiavana hanova zavatra entina hiroso amin’ny fampandrosoana ho an’ny vahoaka ifotony, hoy Imbiki Herilaza, mpahay lalàna. Misy ny finiavana saingy na dia tsara aza ny finiavana, ny fomba fiasan’ny governemanta izay ambany fifehezan’Atoa Praiministra sy ireo mpiasam-panjakana ambony dia tsy maintsy miara-misalahy isika rehetra, hoy izy. Nohamafisiny fa ny mpiasam-panjakana, ny vahoaka malagasy rehetra dia tokony hiara-misalahy amin’ny hoe « andao hiaraka hanandratra an’i Madagasikara ». Tsy ho hitan’ny fanjakana ny  zava-misy eo anivon’ny fokontany sy ny tanàna ary ireo faritra maro isan-karazany fa ny vahoaka Malagasy no tokony hahatsapa fa misy anjara birikiny na dia kely tokony hatao ho an’ny firenena. Ohatra noraisiny  ny fanaovana fanatsarana anivon’ny fokontany… Azon’ny vahoaka madinika atao ny fanadiovana ny tanàna, lakan-drano na koa fijerena sy fisorohana halatra isan-karazany. Notsipihan’Imbiki Herikaza fa mila fifohazan-tsaina faobe na « éveil de la conscience collective » ny vahoaka. Ny mpitondra kosa dia tokony ho fitaratra na dia efa misy ny ezaka natao tokony hotohizana ao anatin’ny dimy taona, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT