Manahirana tokoa ny mamaritra ny tranga iainana eto Madagasikara mialoha ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ity taona 2018. Fifidianana mangarahara sy tsy mampisavorovoro, indrindra, eo amin’ny Malagasy no ilaina ankehitriny.
Sesilany ny fanambarana amin`izao raharaham-pirenena mivaivay izao. Ny vahoaka tokoa mantsy no nanome fahefana ary rariny raha tokony haverina aminy izany, hoy i Serge IMBEH, filohan`ny Antoko AFIMA na Antoky ny Fivoaran`ny Malagasy. Sarotra ny mikarakara fifidianana amin`izao satria samy tsy hisy hoekena izay valim-pifidianana ho avy eo. Araka izany, mila olona tsy momba ny atsy sy aroa mikarakara ny fifidianana hoeken`ny rehetra ary ny miaramila no tokony hanatanteraka azy araky ny fanazavana. Miantso ny tafika ny tenany hikarakara fifidianana filoham-pirenena, andraisan`ny rehetra anjara. Ao anatin`ny fotoana fohy ifanarahana no hanatanterahana azy fa tsy omena sarintsarim-pitondrana. Latsaka an-katerena tokoa ny Malagasy ankehitriny matoa midina eny an-dalambe ka manao antso avo an`ireo mpanao politika, firaisamonim-pirenena mba hifampidinika mahakasika an`ilay lalàm-pifidianana izay anisan`ny fototry ny olana, araka ny nambarany. Nohamafisiny fa mila apetraka ny fomba fijery vaovao amin`ny mpanao politika ankehitriny satria samy mahatsapa tena sy resy lahatra ny tsirairay fa tsy misy zava-banona eto raha tsy mifanara-tsaina ny samy mpanao politika amin'ny fametrahana rafitra eken'ny rehetra ary mila jerena ny maha firenena ny firenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.