Mahatalanjona ny fomba fanaovana politika, hoy ny mpanao politika, Imbeh Serge Jovial!
Lazaina fa marary saina ny filohan’ny antenimierandoholona dia nesorina, hoy izy. Izao indray dia marary saina ny filohan’ny antenimieram-pirenena ka kasaina haongana indray. Izy ty ve rehefa tsy manaraka ny zavatra tianareo hatao dia marary saina daholo ny olona? Tsy nisy olona anisany “fidèle” na mahatoky mihoatra ny filohan’ny antenimieram-pirenena fa rehefa nahatsapa izy fa misy ny olana sady “en danger” na tandindonin-doza ny firenena dia andraikiny ny miteny amin’ny maha filohan’ny andrim-panjakana azy. Andrim-panjakana miisa 2 izay ianareo no nametraka azy dia rehefa tsy manaraka baiko dia ailika fa tsy ny tombotsoam-pirenena no jerena . Ny adala dia sarotra aminy mihitsy no miteny hoe adala izy, fa ny hafa foana no lazainy fa adala. Ny hafa foana no lazain’ny adala fa adala, hoy hatrany ity mpanao politika ity!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.