Politique

ILES EPARSES 300 miliara dolara ny harena ao aminy


  • Talata 10 Novambra 2015

Ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny minisitra Frantsay misahana ireo faritany ivelan’i Frantsa (outre-mer) Rtoa George Pau Langevin ny 9 ka hatramin’ny 11 novambra ny fitsidihana an’i Mayotte sy ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe

Indianina dia ny « iles éparses » izay sokajian’ny fitondrana Frantsay ao anatin’ny « terres australes et antarctiques Françaises ». Fantatra fa hiondrana any amin’ny iray amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara dia ny iles Glorieuses ity minisitra Frantsay ity anio.

300 miliara dolara

Tsy tongatonga ho azy izany rehetra izany fa misy dikany mazava, harena be no ao ambanin’ny tany sy ambany ranomasin’ireo nosy kely antsoina hoe “iles éparses” ireo ka izay no mampifikitra mafy ny Frantsay aminy. Ho an’ny Juan de Nova izay akaiky indrindra an’i Madagasikara ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, ohatra, dia tombanan’ireo manampahaizana fa eo anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 12 miliara barila ny solika ao aminy, raha toa ka 3 ka hatramin’ny 5 miliara m³ kosa ny gaz. Raha raisina hoe 50 dolara ny solika tsy voadio 1 barila amin’izao fotoana dia farafahakelin’izany 300 miliara dolara ny harena ao Juan de Nova fotsiny. Solika eto ny resaka fa mbola vola be no azo avy amin’ny fitrandrahana gaz ary resaka hafa ny harem-be mety ho hita any amin’ireo nosy 3 hafa (les Glorieuses, Europa, Bassas de India). Ny fanjakana Frantsay moa dia efa nanome alalana kaompania mpitrandraka solika Amerikanina sy Nizerianina dia Sapetro sy Marex hanomboka ny fitsirihana solika ao Juan de Nova. Tsara homarihana fa 35 miliara barila no fitambaran’ny solika any amin’ireo firenena Arabo manankarena ary mpamatsy izao tontolo izao ankehitriny. Tombanana ho ritra afaka 30 ka hatramin’ny 50 taona anefa izy io rehefa nanomboka notrandrahana tamin’ny 1905, hany ka mitady toeran-kafa hitrandrahana solika indray ireo firenen-dehibe tahaka an’i Frantsa.

Hiady sa hanaiky hozanahana ?

Ho antsika manokana dia ampy tsara hampandrosoana sy hanovana endrika tanteraka an’i Madagasikara izany volabe 300 miliara dolara izany, hanamboarana fotodrafitrasa tahaka ny toha-drano lehibe hamokarana herinaratra, trano fonenana ho an’ny rehetra, lalana mampitohy ny faritra rehetra eto hatrany amin’ny fokontany faran’ny lavitra indrindra ary mbola hahafahana mampianatra maimaimpoana ny zaza malagasy miainga any amin’ny garabola ka hatrany amin’ny oniversite. Zavatra efa nisy tany Libya izay firenena mpamokatra sy mpanondrana solika izany fony fitondran’ny kolonely Kadhafi. Efa nasehony anefa fa tsy hanaiky mora foana i Frantsa noho ireo tombontsoa sy harem-be ireo koa dia miankina amin’ny Malagasy ny tohiny, ho sahy hiady ny taniny ve sa hanaiky fanjanahana amin’ny endriny vaovao indray !


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT