Politique

Ihorombe Namondrona ny heriny ny Zanak’i Dada


  • Zoma 14 Oktobra 2011

Mihetsika ary manomboka mifanentana ireo Zanak’i Dada any amin’ny Faritra Ihorombe, ahitana ireo mpikambana avy any amin’ny Distrikan’i Iakora, Ivohibe ary Ihosy.

 Nifamory tao Ihosy izy ireo ny alarobia hariva teo. Nitarika ny fihaonana ny senatera Telolahy Berthin sy ny ny filohan’ny filankevi-paritra Andriampilamanana Rostand ary nahitana olom-boafidy toy ny Ben’ny tanàna, olon-tsotra ary mpanao politika avy amin’ireo antoko mandrafitra ny ankolafy Ravalomanana.

Fampitam-baovao sy famondronana ny hery ary indrindra ny fanomanana ny fitsenana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana no votoatin-dresaka. Niditra an-tariby nivantana nandritra io fihaonana io ny filoha Ravalomanana, nanazava ny fipetraky ny toe-draharaha eto sy ny dian’ireo vondrona politika tany Afrika Atsimo ny herinandro lasa teo. Sambany no nandrenesan’ny tany an-toerana indray ny filoha Ravalomanana ka dia velom-bolo ny rehetra ary nampanantena fanohanana azy hatrany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT