Ny lalàna 2011-013 no mifehy ny mpanohitra, nefa hatramin’izao dia tsy mihatra izy io.
Manomboka anio dia hivory eny amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena ireo depiote handinika ny lalàna mifehy ny mpanohitra. Nambaran-dRtoa Ihanta Randriamandranto avy amin’ny antoko Teza, fa mila arahina ny fipitsika mifehy ny mpanohitra. Lasa tsy mitovy hevitra ny mpanohitra noho ny tsy fisian’ny firaisankina, fa samy manana ny azy sy manao izay mahamety azy any. Nambaran’ny antoko Teza, fa mila mivondrona ny mpanohitra rehetra, fa tsy ekena intsony izao, fa ampy izay. Izay no ilaina an’izao fihaonana sy fivoriana izao, hoy izy. Rehefa hampiharina mantsy ny lalàna dia mangataka “récepicé” amin’ny minisiteran’ny atitany, dia atambatra ny hery rehetra an’ny mpanohitra avy eo. Apetraka koa ny fototra ijoroana, dia ny satan’ny fanoherana.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.