Ihajason Randriamanalintsoa

"Aoka izay ny fanonganam-panjakana"


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Akon'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2009 ny 7 febroary 2009-7 febroary 2024,

hoy ny mpikatroka Tiako i Madagasikara na TIM, Ihajason Randriamanalintsoa. Maromaro ny faty olona tamin'ireny fotoana ireny satria niditra tanaty faritra mena teny Ambohitsirohitra ireo hoe mpitolona, hoy izy. Tsy tokony hiverina intsony ny toy ireny. Anatra aty aoriana ireny hoe aoka izay ny fanonganam-panjakana fa andeha hajaina ny lalàna! Aiza moa izany izao no toeran'ireo heverina hoe nanao sorona ny ainy tamin'ireny fotoana ireny? Aiza ny toeran'ny firenena izay mbola tsy afaka anaty krizy hatramin'izao? Ny atao hoe manao politika dia miheritreritra hampandroso firenena. Herisetra no niseho tamin'ireny fotoana ireny. Maro ireo rava fananana. Tao ny nifanena tamin'ny mpanendaka sy mpandroba teny Andohatapenaka ary izahay isan'ny lasibatra tamin'izany, raha mbola niasa teo Analakely, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT