Politique

IDC CDI Hanohana an’i Hajo Andrianainarivelo


  • Alarobia 09 Aogositra 2023

Araka ny fampitam-baovao voaray omaly dia namoaka fanambarana ny vondrona politika iraisam-pirenena IDC CDI na International Democrate-centriste fa hanohana

ny kandida atolotry ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM ho filoham-pirenena 2023, Hajo Andrianainarivelo. Mino izahay, hoy ity vondrona ity, fa ny firotsahan’i Hajo Andrianainarivelo, dia hamarana ny tantaran’ny tsy fifankahazoana nisy nandritry ny 20 taona tao Madagasikara. Heverinay fa tena ilaina ny fanadiovana ny tokontanim-pifidianana sy ny famelana malalaka ny fihetsiketsehana rehetra mialohan’ny fampielezankevitra mba hisian’ny fahatomombanana ara-demokratika ao Madagasikara sy hampivoatra ny fiainam-bahoaka ao an-toerana, hoy hatrany ny IDC CDI. Mpikambana eo anivon’ny IDC CDI moa ny Malagasy miara-miainga, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT