Am-bava tsy ratsy fotsiny ny fifandraisana eo amin’ny antokom-panjakana Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) sy ny anton’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, Tiako I Madagasikara (TIM), fa ny kibay an-kelika ihany
. Rano atondraka andamosin-gisa eo anatrehan’ny HVM ihany koa ny tolotanana ataon’ny filoha nasionalin’ny TIM, Marc Ravalomanana hiasa miaraka ho fampandrosoana. Ny zava-misy dia tsy levon’ny vavonin’ny HVM ny fandresen’ny TIM tamin’ireo Kaominina heveriny ho stratejika, ka dia raikitra ankehitriny ny vely kibay ampandehanana ary ataon’ny HVM amin’ny fomba rehetra izay hangejana ireo Ben’ny tanàna TIM tsy ho afaka hihazakazaka amin’ny fanatanterahana ny MAP Kaominaly, programan’asam-pampandrosoana novatsian’i Marc Ravalomanana azy ireo, hampandrosoana ny Kaominina tantanany avy.
Nanomboka teto Antananarivo Renivohitra io antsojay io, izay nibaribary tamin’ny familafilana ny fanatanterahana ny famindram-pahefana teo amin’ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanàna, kolonely Ramiaramanana Joseph izay fampandehanan-draharaha fotsiny ihany no raharaha tokony ho nosahaniny, sy ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka Lalao Ravalomanana. Vita ihany moa ny famindram-pahefana rehefa narirarira sy nanaovana fangalapiery nandritra ny tapabolana, fotoana nametrapetrahan’ny HVM vato mafana ho an’ny Ben’ny tanàna. Tafakatra 3200 ny isan’ny mpiasan’ny Kaominina raha 1500 izany talohan’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Notendren’ny fanjakana ho Sekretera jeneralin’ny minisiteram-panjakana misahana ny fandaharanasan’ny filoha sy ny fanajariana ny tany indray ny PDS rehefa niala tao amin’ny Kaominina, dia io fa manitsaka andraikitra ny Kaominina io, amin’ny fanomezana “permis de démolition” sy “permis de construire”. Mibaribary izany amin’ny raharaha tany eny Andohatapenaka. Izao indray dia alefa ny feo fa hoesorina amin’ny Kaominina koa ny fitantanana ny tsena sy “parking” izay anisan’ny fidiram-bolan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Miitatra any amin’ny Faritra io fihetsiky ny HVM manao antsojay amin’ny TIM io, toy ny nanendrena ho lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro an-dRaminoarison Honoré, izay kandidan’ny HVM tsy lanim-bahoaka tao Ambatondrazaka, laharana fahatelo taorian’ny TIM izay voafidy ho Ben’ny tanàna sy ny RTM tamin’ny fifidianana natao ny 31 jolay 2015. Aiza ny fanajana safidim-bahoaka ? Sa tian-kano tsy tian-kano no hifampitondrana eto, ka heverin’ny HVM fa hiteraka fampandrosoana ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.