Hotsaraina anio ny raharaha fifidianana tao Toliara

« Mpangalatra tra-tehaka tsy gadraina fa nampandresena!»


  • Zoma 25 Jolay 2025

Nontronin’ny NGPM na «Nouvelle génération politique malagasy»

tetsy amin’ny Motel Anosy omaly ny kandida ho ben’ny tanàna tao Toliara, Ralaivahiny Frérot na Frérot l’homme noir, nirotsaka tamin’ny anaran’ny Pro Siteny, anatin’ny vovonana politika Firaisankina. Amin’ity anio ity, raha ny fanazavan’ny talen’ny fampielezankeviny, Jean Navandahy Ratiharison, ny fitsaràna eo anivon’ny sampana fandavana didy na «cassation» ity raharaha ity. Isaorana Andriamanitra, hoy izy, fa tanteraka ny fanirian’ny mponin’i Toliara voalohany izay nametraka ny safidiny sy fitokisany tamin’ity kandidà ity. Tsy adinonay ny safidinareo ary mbola hiady ho an’izany no ijoroanay eto izao, hoy ihany ity talen’ny fampielezankevitra ity. Miara-ory amin’ireo lasibatry ny raharaha Ambohimalaza aloha, voalohany indrindra, ny NGPM, hoy kosa ny kandidà, Frérot l’homme noir, ary mirary ny ahitàn’ireo fianakaviana ny rariny mikasika ity raharaha ity. Manao antsoavo amin’ireo tomponandraiki-panjakàna rehetra voakasiky ny raharaha mba samy handray ny andraikiny, hoy izy, saingy singanina manokàna amin’izany ny lehiben’ny fampanoavana izay efa tena manao ny anjara tandrify azy tokoa ka mila isaorana manokana izany na dia mpanohitra aza ny tena. Tokony hiala ao an-tsain’ny vahoakan’i Toliara ny fiheverana fa tsy hiady ho azy ireo ny ben’ny tanàna nofidiany. Izao fijoroanay eto izao dia porofo mitohoka amin’ny tendany fa sarotiny tanteraka amin’ny safidim-bahoaka ny fanoherana ary tsy hisy hanaiky fanitsakitsahana safidim-bahoaka izany eto. Mamoafady ny zava-nitranga tany Toliara satria ny CENI mihitsy no mpiray tsikombakomba tamin’ny kandida lazaina fa an’ny fanjakàna. Miisa 10 ireo fitarainana nataonay. 1 ihany no ho lazaiko mampiseho izay firaisana tsikombakomba tamina kandida natao nandresy rehefa tonga tao amin’ny tribonaly miady amin’ny fanjakàna na TAF izany. Misy biraom-pifidianana laharana voalohany, fahatelo amin’ny fokontany antsoina hoe Atsimenatsa. Fonosana bileta tokana miisa 2 no very tao, miisa 50 ny anatin’ny iray. 100 izany ny bileta very. Tra-tehaka tao amin’ny fokontanin’i Betania Antanambao ny ampahan’ireo bileta very tamin’ny andron’ny fifidianana. Misy olon’ny kandida Irmar no nitondra ireo bileta ireo, izay efa voamarika eo amin’ny laharan’ny kandidan-drizareo. Aty amin’ny 4 tolakandro taty no tratra izany. Miisa 5 no tratranay ary voamarina fa ilay tany Atsimenatse. Ny CENI no tompon’ny trano mitahiry ny bileta. Ny kandidàm-panjakana no afaka manana fahefàna hangalatra bileta ao amin’ny CENI. Hatramin’izao ny CENI tsy nitory ny mpangalatra fa izahay indray no mitory. Tra-tehaka ny mpangalatra nefa tsy gadraina fa nampandresena! Mbola mametraka fitokisana ny fitsaràna izahay amin’izao fotoana izao. Nisaotra ny fitsaràna tamin’ny raharaha tao Vatomandry. Na inona vokatry ny «cassation» dia tsy maintsy hiverina any Toliara hanao tatitra izahay. Ambony dia ambony ny fanantenana ary matoky ny «cassation» izahay satria efa nisy lesona noraisina tao, hoy hatrany ny tenany. Mangataka ny hitsaràna ity raharaha ity am-pahamarinana izahay, hoy ihany ny NGPM. Tazana nanontrona teny an-toerana koa moa ireo vondrona politika mpanohitra samihafa tahaka ny Gasy leo sy ny RMDM.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT