Hosoka ara-pifidianana samihafa

Natodiky ny Praiminisitra any amin’ny fahafaha-mitory


  • Talata 04 Jona 2024

Rehefa tsy tazana firy sy nangingina tao anatin’ny fotoana naharitra ny Praiminisitra

Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian, dia naneho omaly rehefa nanontanian’ny mpanao gazety momba ny fifidianana, fa vita tanteraka ny fifidianana ka efa nifidy sy naneho ny safidiny ny vahoaka Malagasy. « Mila miandry am-pilaminana sy am-pitoniana ny valiny ny rehetra. Raha misy ny fitarainana manodidina ny fifidianana dia manana rafitra mandinika izany isika ary malalaka izay rehetra te-hitondra ny fitarainany eny amin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana », hoy ity Praiminisitra ity. Nilaza ho manameloka tanteraka kosa ireo endrika fanakorontanana sy fanimbana fananam-panjakana ny Governemanta ary mandray fepetra hentitra ho an’ireo izay minia mandika ny lalana velona. Ankatoky ny fankalazana ny andro hanamarihana ny fahaleovantena rahateo isika izao ka manao antso avo ny Praiministra mba hiatrika izany fotoan-dehibe ho an’ny firenena izany ampitoniana isika Malagasy tsy ankanavaka, hoy ny Praiminisitra. Marina fa tsy mety ny fanakorontanana fa moa tsy isan’ny fototr’izany ve ny fitondrana ? Tsy dia misy lanjany sy tsy dia misy vidiny amin’ny Praiminisitra ve ny mety ho endrika fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka ka boriboriana amin’ny hoe : afaka mitondra ny fitarainany izay tsy afa-po ? Tsy mahatonga saina ny mpitondra ve fa matoa ny olona mety tonga amin’ny fihetsika mahery vaika dia tsy mahatoky ireo rafitra fametrahana fitoriana sy fitarainana ? Hisy ve ny fanenjehana ireo mpano hosoka sy mpanodinkodina safidim-bahoaka ? Ara-politika kosa, marihina fa isan’ny tafiditra ao anaty lokan’ady na « enjeu » lehibe taorian’ny fifidianana moa ny toeran’ny praiminisitra hoe : mbola ho voatazona sa hoesorina sy homena andraikitra hafa ny Praiminisitra Ntsay Christian aorian’ny fifidianana ho avy eo. Tsiahivina rahateo, fa ny vondrona parlemantera manana ny maro an’isa ao amin’ny antenimiera no manolotra ny anaran’ny Praiminisitra, araka ny voafaritry ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana. Ny tenany no anisan’ny Praiminisitra naharitra indrindra teto, izay efa ny volana jona 2018 no voatendry rehefa nipoaka ny tolona notarihin’ny Depiote 73, ka nivoaka ho Praiminisitra natolotry ny Vondrona maro an’isa IRD na dia tao anatin’ny lonilony aza. Mbola ho voatazona ve ny Praiminisitra aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy sa hanova izany ny Fitondrana mba ho fampitonitoniana ny toe-draharaha politika ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT