Politique

Horonan-tsary manala baraka sy resaka Bianco Hamaly bontana ny depiote HVM


  • Alakamisy 05 Aprily 2018

Mitohy ny gidragidra eo amin’ny depiote mpanohana ny fitondrana nampandany ilay lalàna mifehy ny fifidianana ankilany, ary ireo nanohitra izany andaniny.

 Tsiahivina fa nametraka fitoriana eny amin’ny Biano ny avy amin’ny TIM sy ny MAPAR, ary ny tsy miankina, izay nilaza fa manana porofo mazava manamarina io kolikoly avo lenta io. Nalaza rahateo ny feo, fa hatrany amin’ny 60 tapitrisa ariary ny tambiny no nomena ny depiote 79 nandany azy iny. Tsy niandry ela ny solombavambahoakan’Atsimondrano Harijaona Randriariamalala na Jaona Elite nilaza hoe: “Raha manana porofo dia avoahy, fa raha tsy misy ny porofo dia hitory izahay satria fanalam-baraka izany amin’ny zavatra tsy hita maso sy tsy mitombina fa izay tiany tenenina amin’ny vavany fotsiny no tenenina, ka izay dia hitory rehefa tsy misy ny porofo avy any amin’izy ireo”, hoy izy. Fotoana fohy monja taorian’izay anefa dia niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny horonan-tsary misy depiote maromaro, ary malaza ho ao anatin’io i Anthèlme Ramparany, Jaona Elite, Benja Urbain Andriatsizehena,… saingy manjavozavo ny sary. Niely ny resaka fa nandritra ny fizaram-bola ho an’ny depiote io horonantsary io. Nisy ny baoritra lehibe nampiahiahy sy vola teo ambony fandriana, ary olona nitondra vola nivoaka ilay efitra nahazoana nakana ilay horonantsary. Mampametra-panontaniana hoe ampahany tamin’ny vola nanambazana ny depiote tokoa ve ireny? Nambaran’ny depioten’i Mananjary Anthèlme Ramparany tamina onja-peo iray kosa omaly, fa horonantsary efa tamin’ny 2016 iny niparitaka iny. Ny zava-dehibe aloha izany, dia tsy nanda ny fisian’ilay horonantsary izy ireo, izay tsara ny manamarika fa feno teny ratsy tsy fampiseho masoandro ao anatiny, ary ahenoana feon’olona toa efa mamo. Efa tamin’ny 2016 izany dia efa nisy ny kolikoly? Toa nanao rahom-bava aza ity depiote ity, fa "raha mitohy" iny resaka fitoriana any amin'ny BIANCO nataon'ny MAPAR sy TIM iny, dia voatery hanapongatra sy hamoaka ny afera maloto rehetra fantany tao anivon'ny Antenimiera koa izy ireo. Betsaka ny resaka tsolotra sy kolikoly, nandeha tao, hoy izy, ary tena vavolombelona nahita maso mihitsy izy tamin'ny fanomezana vola ny depiote sasany. Inona no tsy hamoahana izany raha tena misy ary nahoana no nivoaka iny horonantsary iray iny vao mandeha ny endrika valy bontana? Andrasana izay mety ho fifamaliana bontana, fa ny hita aloha dia miha mafana ny gidragidra.


Raha ny vaovao re omaly hariva moa, dia hametraka taratasy fanairana na  “lettre de réserve” eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC eny Ambohidahy sy ny eny amin’ny Bianco ireo depiote TIM sy MAPAR ary ireo tsy miankina miara-dia aminy anio al amin’ny 9 ora. Miandry izay ho tohiny ny rehetra!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT