Honty Razafitrimo

"Tonga ny fotoana handraisana andraikitra eto amin'ny firenena"


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Anisan'ireo kandida hiatrika safidim-bahoaka amin'ny 29 mey 2024 ho avy izao i Razafitrimo Toavintsilavo Honty

na i Honty ao amin'ny tarika AmbondronA no tena ahafantaran'ny maro azy. "Olon-tsotra aho no niditra tao anaty zavakanto nahalalan'ny maro ahy. Ankehitriny, tsapako fa izao no fotoana andraisako ny andraikitra eto amin'ny firenena. Hitondra ny hetahetanareo vahoakan'Ankazobe eo anivon'ireo mpanatanteraka", hoy i Honty. "Ny fandraisana andraikitra avy amintsika tsirairay avy no hanova zavatra maro, koa 'ndao hifanome tanana", hoy izy. Hifanome tanana ho an'ny Fahombiazana, no teny filamatra nosafidian'i Honty kandida laharana faha 4 natolotry ny FTT kolekitifa an'ny Malagasy eny amin'ny distrikan'Ankazobe . Ankoatry ny maha mpanakanto azy dia mpitarika fikambanana tantsaha i Honty no sady tompon'andraikitra amina trano fisakafoahanana lehibe iray eto an-drenivohitra. Na tsy dia be resaka sy tsy mpanao fanehoan-kevitra matetika aza dia anisan'ireo tena manaraka ary maharaka tsara ny fiainana politika eto sy ny raharaham-pirenena izy. Ary raha ny fantatra dia efa elaela ihany no nikasa hiditra mivantana amin'ny politika fa izao moa vao tanteraka izany.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT