Politique

Ho tapitra ihany ny fotoam-piasana Aiza ho aiza ilay solosaina isam-pokontany ?


  • Alarobia 05 Jolay 2023

4 taona latsaka kely izay, ny 08 aprily 2020 no niresahan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hanomezana

solosaina isaky ny fokontany, izay tamin’izany no efa niresahana ny “digitalisation” saingy mandrak’ity ny androany tsy hita ihany izay vokany. Nisy ny fizarana moto ho an’ny ben’ny tanàna, fiara tsy mataho-dàlana ho an’ny Lehiben’ny distrika,… fa ilay solosaina isam-pokontany kosa toa nanjavona. Navoaka tato aoriana ny karinem-pokontany nambara fa manara-penitra, izay toa nentina nanaovana doka ny loko politikany, ary mbola baraingo ny fangaraharana tamin’ny tsenambaro-panjakana nentina nanatanterahana an’ireny. Resahina ny fametrahana “identifiant unique” ho an’ny olom-pirenena mba hamantarana sy hananana firaketana ny tsirairay, saingy ny fampitaovana mifandraika amin’izany manao ahoana? Zava-dehibe, ary taratry ny fandrosoana ny fampiasana sy fisitrahana ny teknolojia, ny haitao ara-kajy mirindra,… kanefa ny antsika toa mitady handringa lava izany. Tsy resaka fitaovana fotsiny ihany koa anefa io, fa eo ny olombelona, ny fahaiza-manao, ny hoenti-manana ara-bola,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT