Samy miandry izay hiafaran’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny rehetra hoe hanao ahoana ? Nilaza ny tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka fitakiana momba ny lalàna mifehy ny fifidianana intsony fa mivoy ny hialan’ny filoha noho ny fandatsahan-dra sy famonoana ny Malagasy ka efa fanjakana mihosin-dra no misy.
Hanatitra taratasy fitoriana eny amin’ny Fitsarana mitaky ny fialan-dRajaonarimampianina izy ireo anio. Mbola karazan’ny nihantsy ady ihany anefa ny filoham-pirenena, niantso ny namany ho tony tamin’ny filankevitry ny minisitra, ka nanamafy fa fitarihana fikomiana ny an’ireo depiote sy fanonganam-panjakana ny azy ireo. Ny tsy azo hamaivanina, dia efa niala an-daharana tsy hanaiky baiko hamono vahoaka aloha ny tafika, saingy nilaza mazava fa tsy hanaiky fakana fahefana mifanohitra amin’ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Miteraka adihevitra lehibe io, ary hiditra amin’ny resaka lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-52, dia voalaza mazava tsara fa azo atao ny manala ny filoha amin’ny toerany”, ary miala avy hatrany raha vao ankatoavin’ny fitsarana avo momba ny Làlampanorenana (HCC). Efa nisy teto io ny taona 2015, saingy ny HCC no nanavotra an-dRajaonarimampianina. Ny filohan’ny antenimierandoholona no mandray ny fahefana, raha tonga amin’izay. Mandeha anefa ny feo ankehitriny fa mety hiditra amin’ny resaka fifanarahana ara-politika lehibe, toy ny fifanarahan’ny 31 oktobra 1991 na ny fifanarahan’i Panorama ny herivelona politika ankehitriny. Raha hiverenana ny tantara, lasa filoham-boninahitra fotsiny ny amiraly Didier Ratsiraka, najoro ny Haute Autorité de l’Etat notantan’ny Pr Zafy Albert nampandeha ny raharaham-panjakana ary notendrena ny praiminisitra Guy Willy Razanamasy handrindra ny asan’ny governemanta; najoro ihany koa ny komitin’ny fanarenana ara-toekarena sy sosialy ka filoha niara-nitarika an’io i Manandafy Rakotonirina sy ny Pastera Richard Andriamanjato. Ny Herivelona “Rasalama” izay tena natanjaka no nomena ny 60% tamin’ny fahefana sy ny fitantanana ny firenena, tao anatin’io fifanarahana teny Andrainarivo io. Ny filoha kosa lasa toeram-boninahitra fa tsy nanana fahefana firy, ary mety ho izay no hiafaran’ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina, ka hisy praiminisitry ny marimaritra iraisana handamina ny firenena. Sary iray mety hisy ihany koa anefa ny fananganana tetezamita avy hatrany hikarakara ny fifidianana, ary hiverenana dinihina ny lalàna, havela hirotsaka ny rehetra. Zavatra mety hiseho ihany koa ny fananganana fitondra-miaramila, saingy raha jerena tamin’ny fanambaran’ny lehiben’izy ireo, dia toa tsy te hiditra amin’izany ny tafika, izay efa somary misy ihany ny tsy voafehy. Toa karazan’ny manisa andro sisa ny filoha na hotazonina eo ihany fa ho filoha anarany fotsiny. Andrasana izay ho fivoaran’ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.