Politique

Ho Praiminisitra Manomboka anio ny fandraisana ny anaran’ny mpifaninana


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Manomboka anio ny fangalana ny anarana hatolotry ny vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra ny amin’izay ho praiminisitra.

 Izay indray ny vaovao nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly. Izany dia manaraka ny andininy fahadimy amin’ny tondrozotra, raha araka ny fanazavan’ny avy etsy Ambohitsorohitra. Olona telo no hatolotry ny vondrona politika mpanao sonia. Anjaran’ny filohan’ny FAT avy eo no manendry izay tiany sy mifanaraka aminy. Raha araka io andiny fahadimy io ihany dia tsy maintsy olona tsy mitovy fiaviana amin’ny filohan’ny FAT ny ho praiminisitra. Tsy afaka ny miray firehana aminy ihany koa izay ho praiminisitra eo. Hatreto aloha dia efa mandeha, ary efa ela mihitsy ny anaran’izay telo mety amin’io seza io ary mifanandrify amin’ny tondrozotra. Pierrot Rajaonarivelo, Mamy Rakotoarivelo ary ny Jeneraly Fidy. Itsy faharoa anefa dia mety tsy ho tafiditra ao anatin’ny hazakazaka noho izy Merina. Eo amin’ny Jeneraly Fidy sy Pierrot Rajaonarivelo, araka izany, no mety handeha ny fifanandrinana. Ho hita eo ihany...

samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT